« Vehivavy iray amin’ny dimy no iharan’ny herisetra ara-tsaina sy ara-batana », hoy i Fanomezantsoa Mirana, talen’ny ONG CARE eto Madagasikara, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa MANONGA, natao ny 29 jolay 2026 teny Ankorondrano.
Miompana amin’ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizivavy amin’ny herisetra mety hihatra aminy ny tetikasa MANONGA. Tafiditra ao anatin’ny asa hotanterahina ny fisorohana sy ny fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy (VBG), ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fikambanana sy rafitra ara-tsosialy amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy, ary ny fanovana ireo fomba fijery sy rafitra ara-tsosialy mba hampiroboroboana ny fitovian-jo sy hisorohana ny herisetra.
Ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina (MPS) no mitarika ny tetikasa MANONGA. Fikambanana sy rafitra miisa efatra no miara-mientana amin’ny fanatanterahana ireo asa voafaritra, dia ny ONG CARE International Madagascar, Médecins du Monde, ny ONG Capacity-building for Communities (CFORC), ary ny Women Lead Movement. Mamatsy vola ny Vondrona Eoropeana. Faritra efatra eto Madagasikara no hisitraka ny tetikasa mandritra ny 4 taona (2026-2029): Diana, Atsimo-Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra.
« Mihatra amin’ny faritra maro ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Miseho amin’ny endrika maro izany, toy ny fanavakavahana eo amin’ny fanabeazana ny lahy sy ny vavy, ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy, ny herisetra ara-nofo mianjady amin’ny vehivavy, ary ny herisetra iainan’ny vehivavy am-pahanginana ao anatin’ny tokantrano », hoy i Fanomezantsoa Mirana.
Araka ny antontan’isa avy amin’ny fanadihadiana EDS 2021 sy MICS 2025, navoakan’ny INSTAT sy ny UNICEF, dia 59% ny vehivavy ao amin’ny faritra Vakinankaratra no iharan’ny herisetra ao an-tokantrano. Any amin’ny faritra Atsimo-Atsinanana kosa, vehivavy iray amin’ny roa no manambady alohan’ny faha-18 taonany. Manerana an’i Madagasikara ihany koa, mbola olana mitohy ny fanambadiana aloha loatra, satria tafiakatra 42% tamin’ny taona 2025 ny tahan’ny vehivavy nanambady talohan’ny faha-18 taonany, raha 40% izany tamin’ny taona 2018.
Hiara-hiasa amin’ireo olobe, mpitondra fivavahana, vehivavy mpitarika, tanora ary lehilahy mandray andraikitra ny tetikasa mba hametrahana sehatra ifanakalozan-kevitra, hampiroboroboana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy ary hisorohana ny herisetra.
Anisan’ny andraikitry ny Médecins du Monde ny fitiliana sy ny fandraisana an-tanana ara-pitsaboana ary ny fanohanana ara-tsaina ireo iharan’ny herisetra. « Miara-miasa amin’ireo rafitra eny ifotony sy ireo mpisehatra eo anivon’ny fiarahamonina izahay, miaraka amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, mba hampidirana ny paikady iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy (VBG) ao anatin’ny tolotra eny amin’ireo tobim-pahasalamana, indrindra amin’ny sehatry ny fahasalamana fototra sy ny fahasalamana ara-pananahana », hoy i Frédéric Garcel, Mpandrindra ankapoben’ny Médecins du Monde France eto Madagasikara.
Anisan’ny vokatra andrasana mandritra ny tetikasa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo firaisamonim-pirenena miisa 80, ny fanohanana vehivavy miisa 1 500 handray anjara amin’ny sehatry ny fandraisana fanapahan-kevitra, ny fandraisan’anjaran’ny lehilahy miisa 240 amin’ny fampiroboroboana ny « masculinité positive », ny fananganana mpivady miisa 200 ho modely amin’ny fiainana an-tokantrano lavitry ny herisetra, ary ny fanamafisana ny andraikitry ny olobe, mpitarika ara-pivavahana ary mpisehatra eny ifotony miisa 80.
Ra-Nirina



