Fanomezana kojakoja fidiovana (kits d’hygiène) Impec avy amin’ny orinasa Somapro ho an’ireo fikambanam-behivavy sy fanolorana tensiomètre, fitaovana fandajàna, thermomètre infrarouge ho an’ny CSBII sy lamba firakotra mafana (couette) ho an’ireo reny terabao ao amin’ny « maternité » ary fizarana « tour » fanamboarana vilany tany hon’ny fianakaviana 29 no nanamarihan’ny kaominina Alasora ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny 8 martsa 2021.
« Noho ny fiarahamientan’ny kaominina Alasora miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanao izany […] toy ny association mère et enfant, ny Odessa design, ny pharmacie Hanitra », hoy ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Mireille. Nambarany fa « adidy masina sy andraikitra mavesatra ny adidy miandry ny vehivavy ». « Mampanantena ny tenako, amin’ny maha vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora ahy fa hijery manokana ny vehivavy sy fikambanam-behivavy eto Alasora amin’ny andraikitra manandrify ahy », hoy izy. Miantso ny fitondram-panjakana Randriantsoa Mireille fa « tokony omena lanja ny vehivavy amin’ny lafiny fiarahamonina sy ny fampandrosoana ary omena sehatra ivelarany ».
Fanamboarana vilany tany
Nitaraina teny amin’ny kaominina ireo fikambanam-behivavy mpanao vilany tany eny Alasora fa tsy ampy intsony ny fitaovana hanaovan’izy ireo vilany tany. « Malaza amin’izany fanamboarana vilany tany izany Alasora ka rariny sy ny hitsiny loatra raha amin’izao andron’ny vehivavy izao dia nojerena manokana izy ireo », hoy hatrany ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana « mère et enfant », Ramahandry Ravelosoafara Aimée fa vokatra Impec avy amin’ny orinasa Somapro ireo « kits d’hygiène » nomena ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny kaominina Alasora ireo.
Lynda A.
Pingback: VADIN’NY BEN’NY TANANAN’ALASORA : Handray ny andraikitra manandrify azy amin’ny fampandrosoana ny vehivavy - ewa.mg