Socio-eco

KAOMININA ALASORA: Nahazo fanampiana avy amin’ny Association Baobab ireo ankizy 300 ao amin’ny EPP Ampahibato


Ho tohin’ny fanampiana ny reny sy ny  zaza natao tamin’ny 8 martsa 2021 dia nanomana sy nikarakara hetsika sosialy indray ny vadin’ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Mireille  niaraka tamin’ireo vehivavy miasa ao amin’ny  kaominina. KAOMININA ALASORA - hetsiky ny vadin'ny ben'ny tanana 1Ankizy marefo 300 isa tao amin’ny EPP Ampahibato Alasora nahazo fanampiana avy amin’ny Association Baobab ny 14 Martsa 2021. Ankoatra ny vary sy laoka dia nanolotra kahie, stylo, koveta ary soja vovony  ho an’ireo ankizy  ireo ity fikambanana mpanao asa soa ity. “ Ny hetsika natao androany   dia tohiny ny hetsika sosialy fanaon’ny  kaominina ambanivohitra Alasora. Tohiny ny efa natao tamin’ny 8 martsa izay ho an’ny reny sy ny zaza fa tamin’androany dia niarahana manokana amin’ny Association Baobab Madagascar”, hoy Randriantsoa Mireille.  Nambaran’ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora  fa miezaka mikatsaka hatrany  ny hanasoavana ny zana-bahoaka ny Kaominina ambanivohitra Alasora.

Manampy ny mpiara-belona

Fikambanana mampivondrona ireo karàna zanatany eto amintsika, mizara fanomezana, manampy ny mpiara-belona manerana ny Nosy ny Association Baobab, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana. “Manampy  ny zaza mianatra amin’ny EPP, beantitra, zaza kamboty,  olona manana fahasembanana izahay”, hoy i Rizvan Moramali Satsou.  Ny taona 2018 no niforona ity fikambanana ity ary eto Antananarivo ny foibeny. Nampatsiahy ny filohan’ny fikambanana fa  efa nanampy ireo traboina vokatry ny rivo-doza. Vao tsy ela koa izay fa tamin’ny novambra 2020, nidina tany amin’ny faritra Atsimo ry zareo nizara vatsy ho an’ireo tratry ny kere ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao. Tsy adino ihany koa fa nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ny mpiara-belona manoloana ny valanaretina Covid19 ny Association Baobab Madagascar.

Lynda A.

Horonan-tsary :


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *