Socio-eco

MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto


Mampidi-bola ny mpanakanto. Lasa mirona any amin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera ny mpanakanto amin’ny fampahafantarana ny sangan’asany noho ny fisian’ny “pirate”. Mitaky vola anefa ny famokarana sangan’asa ka amin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra no ahafahana mamokatra vokatra vaovao indray mba hanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy. Noho izany, mitondra tombontsoa ara-bola ho an’ny mpanakanto ny fidirana ao amin’ny Musichall Application.musichall 1 Ity “application” ity dia ampidirina amin’ny finday amin’ny alalan’ny “Google play store”. Tao anatin’ny telovolana teo ny orinasa Musichall SARL no niketrika ity application ahafahana manjifa ny zava-kanto malagasy ity, toy ny hira, angano, tantara, tononkalo. Mpanakanto 160 no efa nisoratra anarana hampiditra ny sangan’asany ao anatin’ny application. 40.000 Ariary isan-taona ny sarany raha hisoratra anarana. “5 Ariary isaky misy mihaino ny sangan’asany no azony raha tolotra andoavam-bola no ampiasain’ny mpanjifa ary 2 Ariary raha tolotra maimaimpoana”, hoy Rakotomahefa Rado, Filoha tale jeneralin’ny Musichall SARL, nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny “plateforme Musichall Application”, ny 05 martsa 2021 teny Ankorahotra. Nilaza izy  fa 3 Ariary isaky misy mijery na mihaino ny vola azon’ny mpanakanto raha  ao amin’ny Youtube.

Raha ho an’ny mpanjifa no resahana dia misy ny tolotra maimaim-poana ahafahana mampiasa ny application fa voafetra ny sangan’asa azo henoina, araka ny fanazavany. 55.000 Ariary kosa ny abonnement telovolana ary  174.000 Ariary ny  iray taona. “ Ho fanomezana hasina ny mpanakanto, fanandratana ny talenta malagasy  eto an-toerana sy any ivelany, fanomezana tohana ny vita malagasy no tanjonay tamin’ny famoronana ity application ity”, hoy Rakotomahefa Rado.  Eo ihany koa ny “fiarovana ny sangan’asan’ny mpanakanto, hampihenana ny pirate” satria tsy afaka “télécharger”-na  ireo vokatra ao.

Nirina R.


One comment on “MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto

  1. Pingback: MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *