Socio-eco

STARTIMES: Misokatra ny botika fahadimy ao Tanambao III Toamasina


Chaînes vaovao. Tsy mikely soroka ny Startimes mikaroka ny fomba rehetra ahafam-po ny mpanjifa sy hamporisihana ireo mbola tsy mampiasa ny televiziona nomerika ny Startimes. Vao herinandro lasa izay no niditra tao amin’ny bouquet Startimes ny televiziona ofisialy ny Manchester United (MUTV). Manomboka amin’ny 10 martsa 2021 dia ho hita ao amin’ny Startimes M6 Music sy ny RFM TV. Manomboka amin’ny bouquet Basic 22.000 Ariary dia afaka manaraka ireo chaînes kalaza momba ny mozika ireo. Ankoatra izany, “faly mampahafantatra ny rehetra ny Startimes fa hisokatra ny botika fahadimy ao Tanambao III Toamasina. Izany rehetra izany no natao dia hanatanterahana ny vinan’ny Startimes, ny ahafahan’ny tokantrano tsirairay hisitraka televiziona nomerika”, hoy Zafera Joyce, tomponandraikitry ny seraseran’ny Startimes eto Madagasikara. Nambarany ihany koa fa efa manomana ny fandefasana ny Euro 2020, hanomboka amin’ny 11 jona 2021 ny Startimes. Ankoatra ny fanohanana ny tontolon’ny fanatanjahantena dia tsy manadino ireo vehivavy tia manaraka “série” ihany koa ity orinasa ity satria vao tamin’ny voalohany martsa 2021 teo dia nitombo ny “série” azo arahina amin’ny chaîne Novela F plus satria  niampy ny “série” vaovao “Belles étrangère”.

Nohamafisin’i Zafera Joyce fa mbola mitohy ny fihenam-bidy amin’ireo kit Startimes noho ny fankalazana ny fahadimy taonan’ny orinasa. 50.000 Ariary ny  kit terrestre, efa ao anatin’ny décodeur, abonnement  iray volana miampy antenne râteau sy câble 15 metatra. Ho an’ny Kit satellite kosa dia 60 000 Ariary ny vidiny, efa ao anatin’ny  « kits » rehetra  miaraka amin’ny abonnement  iray volana ary maimaimpoana ny fametahana azy. Ho fanampin’izany, azo jifaina amin’ny sarany 500 000 Ariary ny vata fahitalavitra nomerika 32’’. Nidina ho 900.000 Ariary ny 43’’.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *