Miteraka fahasosorana eo amin’ny solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana ny tsy fandanian’ny antenimierandoholona ireo lalà na vitsivitsy nolaviny. « Efa lalà na manan-kery ireo lalà na sivy ireo satria vita sonian’ny Prezidà n’ny repoblika sy efa nojeren’ny HCC ireo didy hitsivolana ireo. Tsy ilana ny adi-hevitra hidirana any ifotony ireo lalà na ireo fa fankatoavana sisa no atao », hoy ny vondrona parlemanta IRD sy ny vondrona parlemanta GPR sy ireo solombavambahoaka manaraka azy ireo. Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 12 Martsa 2020 izy ireo nanehoany ny heviny amin’ny tsy fandanian’ny antenimierandoholona ireo lalà na vitsivitsy. Fomba vaovao ity fanaovana fankatoavana lalà na ity. Natao izao fankatoavana ireo lalà na sivy ireo mba hakana ny tena maha lalà na feno azy. « Resaka politika no mahatonga ny antenimierandoholona tsy mandany ireo lalà na ireo. Mpanohitra raha teo ny ao amin’io andrim-panjakana  iray io. Sady rehefa naheno ny tenin’i Prezidà amin’ny hanafoanana io antenimierandoholona izy ireo dia lasa manao izao fanakanana ny fampandrosoana tian’ny Prezidà hatao izao », hoy izy ireo.
Nirina R.



