politique

UNDD: Miantso ny hery velona rehetra hiara-hientana hampijoro Repoblika vaovao


Tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana. « Raha jerena aminy fomba tsotsotra dia fifanandrinana politika misy amina vondron’olona roa, ny mpitondra sy ireo mamaritra ny tenany ho mpanohitra no mahoraka », araka ny fanambaran’ny antoko UNDD (Union Nationale pour le Développement et la Démocratie), ny 12 martsa 2021 teny Ivandry. Tsy io fifandirana io anefa hoy ny antoko no zava-dehibe fa ny krizy mangirifiry mianjady amin’ny vahoaka Malagasy.  » Manambara amin’ny fomba mazava sy tsy mivilivily fa mandalo kihon-dalana sy fotoan-tsarotra indray ny firenena. Mahatsiaro tena ho manana andraikitra hijoro sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiatrehana sy fitadiavana vahaolana ny UNDD, araka ny fanazavan’i Manoro Régis, Sekretera jeneraly sady filoha nasionaly mpisolo toerana mandra-pahavitan’ny kongresy manaraka an’ ny UNDD.

Nambarany mpikambana fa tsy maintsy miainga sy mifototra amin’ny firaisankina, fiaraha-mientana sy fivondronan’ny Malagasy izany vahaolana izany. Misintona ny sain’ny rehetra ihany koa ity antoko politika ity fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana kanefa manindry mafy fa asa vadin-drano ny raharaham-pirenena ka « andao isika rehetra hiara-misalahy hamadika ny pejin’ny fahantran’ity Tanindrazana iombonana ity, hanorina firenena vaovao sy vanona. Noho izany, manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena ny antoko UNDD mba handray fepetra izay azony atao mba hirosoana amin’izany.

Manao antso avo ireo hery velona ihany koa hiara-hientana hampijoro Repoblika Malagasy vaovao, miray ao anatin’ny fahasamihafana, mitsinjara fahefana, mandroso amin’ny fomba mirindra, mihavana tanteraka sy mahatsiaro fa tena « samy Malagasy » feno.

Ra-Nirina


One comment on “UNDD: Miantso ny hery velona rehetra hiara-hientana hampijoro Repoblika vaovao

  1. Pingback: UNDD: Miantso ny hery velona rehetra hiara-hientana hampijoro Repoblika vaovao - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *