Socio-eco

CNFM: “Hampiaro ny miralenta eo amin’ny fitantanana ny firenena”


Ho fampiharana ny miralenta. Mitondra tolo-kevitra mankany any amin’ireo fahefana mpanapa-kevitra ny CNFM (Conseil National des Femmes de Madagascar) mba hitsinjovana ny vehivavy indrindra aorian’izao krizy ara-pahasalamana izao. “Miangavy ny governemanta izahay mba hanokana vola misimisy kokoa amin’ny sehatry ny fampianarana,ny fahasalamana sy ny fanajarian-tsakafo mba hiatrehana ireo olana mianjady amin’ny vehivavy nateraky ny Covid-19; indrindra koa mba hampiakarana ny tetibola ho an’ny ministera miandraikitra ny vehivavy sy ny fampiroboroboana ny zony”, hoy ny filohan’ny CNFM, Andriamasy Estelle nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 09 oktobra 2020 tetsy Antaninarenina.

Ao anatin’ny soso-kevitra aroson’ity fikambanam-behivavy ity ihany koa  ny tokony hanamorana ny fahazoan’ny vehivavy misitraka famatsiam-bola ny tetikasa ho fanarenana ny fari-piainan’izy ireo aorian’izao krizy izao. Raha eo amin’ny lafiny fiakaran’ny herisetra mahazo ny vehivavy dia “mangataka izahay mba hampitomboana  ireo ivon-toerana fihainoana mandray ireo vehivavy iharan’ny herisetra ary ho atao maimaim-poana ny  resaka fitoriana sy ny fangatahan’izy ireo taratasy  fanamarinana  ara-pahasalamana sy ny fitsaboana azy aorian’ny herisetra”. Eo amin’ny lafiny fandrindram-piterahana kosa dia “mangataka izahay any amin’ireo faritra  latsaka ambany ny tahan’ny fandrindram-piterahana toa an’ny faritra Androy, Anosy, Bongolava ary Atsimo Atsinanana mba hisy ny ezaka manokana hampiakarana izany satria ny fahamaroan’ny zaza teraka dia miteraka fahafatesan’ny vehivavy eo am-piterahana”. Ankoatra izany, miantso ny fitondram-panjakana ny CNFM hanendry vehivavy ho governoran’ny faritra ho amin’ireo faritra dimy sisa tsy voatendry: Amorin’i Mania, Betsiboka, Bongolava, Ihorombe ary Melaky.

Nirina R.


One comment on “CNFM: “Hampiaro ny miralenta eo amin’ny fitantanana ny firenena”

  1. Pingback: CNFM: “Hampiaro ny miralenta eo amin’ny fitantanana ny firenena” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *