politique

HVM: Natao inona ireo fitaovam-piadiana raha tsy lany Prezidà Rajoelina Andry?


Tsy fanonganam-panjakana fa aro fanina. Nandritra velan-kevitra momba “ny fanjakana tan-dalàna antoky ny fampandrosoana”, notontosaina ny 24 febroary 2020  teny Anosy, no niresahan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) ireo fandikàn-dalàna nataon’ny fitondrana tarihiny ny Prezidà Rajoelina Andry tamin’ny taona 2019. Nambaran’ny antoko fa ny andro voalohany nanombohan’ny fitondrana, lanonana nanaovana ny fianianany (investiture) teny Mahamasina dia efa nisy ny fandikàn-dalàna.

Araka ny fanazavan’ny mpitam-bola ao amin’ny birao nasionalin’ny HVM fa ny 18 janoary 2020 no nivoaka ny didim-panjakana milaza ny fanendrena ny Ramaholimihaso Madeleine ho tomponandraikitry ny mari-boninahi-pirenena. “Taiza io filan-kevitry ny ministra io kanefa tsy nisy ny filan-kevitry ny ministra izany ny 18 janoary? Ankoatra izany “ ny Praiministra no nanasonia ny  didy  kanefa raha ny lalàna dia filoham-pirenena no manasonia ireo didy, lany tamin’ny filan-kevitry ny ministra”. Mametra- panontaniana ihany koa ny antoko momba ireo fitaovam-piadiana  nampirantiana tamin’ny 19 janoary 2020. “Raha ny lalàm-panorenana dia manomboka eo amin’ny  investiture ny fotoam-piasan’ny Filoham-pirenena. Matoa ireo fitaovam-piadiana ireo tonga tamin’io fotoana io dia efa nafarana ela. Iza no nividy azy? Avy aiza ireny fitaovam-piadiana ireny? Kandida Rajoelina Andry ve nino fa tsy maintsy lany filoham-pirenena izy? Raha tsy lany izy dia natao inona ireo fitaovam-piadiana ireo?” Santionany amin’ireo fandikan-dalàna nanaovan’ny HVM velan-kevitra ireo fa noraketina an-tsoratra izy rehetra ary efa natolotra ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny, ny Praiministra lehiben’ny governemanta, ny filohan’ireo andrim-panjakana, ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ireo antoko politika, ireo fiarahamonim-pirenena sy ny maro hafa.

 Nohamafisin’ny mpandrindra nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo fa tsy mitsikera hanongam-panjakana izahay fa natao izao fehin-kevitra izao ho aro fanina ho fanajàna ny lalàm-panorenana sy ho an’ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana.

Lynda A/Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *