Hiaro ny zon’ny tsirairay, hanabe sy hitaona ny Malagasy ho samy handray andraikitra tandrify azy ny fikambanana MA.M.A na “Malagasy Mandray Andraikitra”. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
RAMAMPY Zénaïde « Sazio ny olona ambony mambotry ny firenena »
« Mizara roa ny hevitry mpanao politika ankehitriny. Eo ny miteny fa atao ny fifidianana, etsy ankilany ajanony aloha fa aleo manao fanorenana ifotony. Ny lalana efa mametraka fa tsy maintsy aroso ny fifidianna ary efa misokatra androany ny fametrahana antontataratsy filatsahan-kofodina ho filoham-pirenena », hoy ny filohan’ny « Reseaux des Femmes Africaines Ministres et Parlemataires » ( REFAMP ), Marie Zénaïde LECHAT RAMAMPY. Ny fifidianana ihany no vahaolana amin’izao savorovoro izao, hoy izy. Anisan’ny foton-kevitr’ireo manohitra ny hanaovana fifidianana ny tsy fahandriam-pahalemana. Tsy hijanona mihitsy io tsy fahandriampahelamana io raha mbola misy ny tsy maty manota eto amin’ny firenena, hoy hatrany izy. « Sazio avokoa ireo olona ambony sy ireo mpiray tsikombakomba aminy izay mambotry ny firenena. Ao anatin’izany ireo mpanao asa fanondranana antsokosoko ireo harena sarobidy isan-karazany. Raha tanteraka izany matahotra ny anao asa ratsy ny mpanao izany ka hisy amin’izay ny fahandriam-pahalemana ». Raha samy mandray ny andraikiny ny tsirairay, handroso ity firenena ity saingy tsy izay no zava-misy fa ny fitiavan-tena no manjaka hatramin’izao. Miantso ireo vehivavy maro an’isa manerana an’i Madagasikara noho izany izy hahay hisafidy ny filoha hitondra manaraka eo satria izy ireo no mahalala ny mahasoa ny fianakaviany.
Azo atao tsara ny mamongotra hatrany amin’ny fakany ny fahantrana eto amintsika raha toa ka mahay mihevitra ny vahoaka ny mpitondra fa tsy ny tombontsoan’ny tenany ihany no tadiaviny. Mahatsara ny firenena ny fisian’ny vehivavy maromaro eny anivon’ny andrim-panjakana. Raha ny anjara-toerany ao an-tokantrano, izy no mikajy ny vola rehetra ao, mahafantatra ny an-tsipiriany ny fiainan’ny ankohonany, miahy ny fahasalaman’ny zanany, ny fianarany,… Efa manavanana azy izany ka mendrika omena andraikitra eo amin’ny firenena izy ireo, hoy izy.
Nirina R.
Fampandrosoana ny faritra Atsimo: Nampiseho ny firaisankinany ny FIZAFATO
Mbola nampiana ny seza 5000 nampiasaina nandritra ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ny faritany Toliara (FIZAFATO). Continuer la lecture
Mpandraharaha avy any Dubai: Hanohana ny tetikasan’ny mpianatra
Mitohy ny fiarahamiasa eo amin’ny onversite GSI sy ny mpandraharaha ara-toekarena Ny Rado Rafalimanana. Continuer la lecture
OMS : Hamafisina ny fanaovana vakisiny
Olana amin’ny tsy fahavitan’ny vakisiny any amin’ny faritra sasany ny tsy fandriam-pahalemana. Continuer la lecture
Fandefasana vola mankany ivelany: Azo atao amin’ny alalan’ny Postransfer
Ao anatin’ny firenena Afrikanina dimy voalohany mampiasa ny Postransfer i Madagasikara. Continuer la lecture
Antoko FREEDOM : Miady ny hamerenana ny hasin’ny politika
Nahatsiaro ny faha 10 taona nahalasanan’i Herizo Razafimahaleo ny antoko Freedom ny Alarobia 25 Jolay 2018 lasa teo. Continuer la lecture
DAVIDA MAITSO KELY: Tafiala tao an-davaky ny liona
Nanazava ny antony nialàny tao amin’ny antoko politika HVM ny ministry fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary. “Efa feno ny fepetra ka tsy mitovy hevitra intsony”, hoy i Paul Rabary nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 25 jolay 2018. Continuer la lecture
TRONDRO AN-DRANOMAMY: Miroso amin’ny matihanina ireo mpivarotra
Zava-dehibe eo amin’ny sakafo ny fahadiovana manomboka eny amin’ny fakàna azy ka hatrany amin’ny fivarotana azy toy ny trondro an-dranomamy. Noho izany mendrika ny trondro madio ny mpanjifa. Continuer la lecture
« Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » : Manohana an’i Pasitera Mailhol
Nahita ny tetikasan’i Pasitera Mailhol ny « Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » (SAINA). Hitan’izy ireo fa ity Pasitera ity no afaka hanome vahaolana maharitra amin’ireo fitakiana isan-karazany ataon’ny sedikan’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Continuer la lecture











