Socio-eco

Fampandrosoana ny faritra Atsimo: Nampiseho ny firaisankinany ny FIZAFATO


Mbola nampiana ny seza 5000 nampiasaina nandritra ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ny faritany Toliara (FIZAFATO). Raha 4000 no vinavinan’ny komity mpanomana ny lanonana ho tonga tamin’ny sabotsy 28 jolay 2018 lasa teo dia nihoatra be izany. Niara-nifety tamin’ireo zanaky ny faritra Atsimo avy eto Antananarivo sy any amin’ny faritra hafa ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Omby folo no novoina ka niarahan’ny zanaky ny faritra Atsimo avy Anosy, Androy, Menabe, Atsimo Andrefana, Mahafaly, Bara nihinana. Noporofoin’ny mpikambana fa iray tsy mivaky izy ireo.

Mifamonjy

Fanabeazana ny olona hahay hifanampy no fototra ijoroan’ny FIZAFATO. Nasehon’ ny fikambanana izany nandritra ny fankalazana ny faha-40 taonany. Solontenan’ny zanaky ny faritra Atsimo mianatra eny ambaratonga ambony miisa fito nozaraina solosaina, “vidéo projecteur”, “modem” efa misy fahana ampiasaina mandritra ny telovolana. Tamin’ny alalan’ny tolo-tanana nataon’ny mpikambana ihany no nahafahana nanao izany, hoy i Maharante Jean de Dieu. Manampy ny mpikambana tsy an’asa ihany koa ny FIZAFATO. Ankoatra izany, mitady ny fomba hampandrosoana an’i Toliara ny fikambanana. Miezaka hatrany ny FIZAFATO mitondra ny heviny eo anivon’ny fitondram-panjakana mba hampandrosoana ny faritra Atsimo. “Tsy miady amin’ny fanjakana izahay fa mangataka na mandroso hevitra kosa mba hahamety kokoa ny faritr’i Toliara”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Maharante Jean de Dieu. Hevitra efa naroso ny fanajanonana ny fitaterana rano amin’ny alalan’ny kamiô. Ny fampiasàna ny “pipeline” hitarihana ny rano no vahaolana hitan’ny fikambanana hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any Atsimo.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *