politique

Antoko FREEDOM : Miady ny hamerenana ny hasin’ny politika


Nahatsiaro ny faha 10 taona nahalasanan’i Herizo Razafimahaleo ny antoko Freedom ny Alarobia 25 Jolay 2018 lasa teo. « Manana adidy amin’ny maha zandry, zanaka taty aoriana izay nampianariny sy nametrahany teny lova-politika sy ara-idiolojika. Atao izay hameloma-maso izany sady vato namelan-kafatra raha teo ny antoko », hoy ny filohan’ny antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy. Azo lazaina fa voataiza sy voavolavola ara-politikan’i Herizo Razafimahaleo izy raha ny nambarany. Ny fomba fanaovana politika manaraka etika no nampianariny. Ao anatin’izany ny fanaovana politika amin’ny fanohanana foto-kevitra fa tsy tsangan’olona noho izany tsy mibodo toerana ary mametraha-pialana rehefa tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra hijoroana. Raha aty amin’ny fanoherana no misy anao, azo atao ny manoro hevitra ireo mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny tsikera na toro-hevitra, hoy hatrany ity filohan’ny antoko Freedom ity. « Na inona na inona tsy fitovian-kevitra, tsy maintsy ny tombotsoan’ny firenena no jerena ». Tokony havaozina ny kilasi-politika, ny fomba fanaovana politika. Ao anatin’izany ny fananan’ny mpanao politika vina, ny fasahiana miatrika fifidianana izay tsy misy izany ankehitriny. Miady ny hamerenana ny hasin’ny fanaovana politika ny antoko. Azo atao ny manao politika madio, mitaiza vahoaka ho tia ny politika, miditra ao amin’ny fitondram-panjakana ka mametra-pialana rehefa misy ny tsy fifankazahoan-kevitra ary azo atao ny miasa ho an’ny vahoaka fa tsy mameno paosy fotsiny ihany, hoy hatrany izy.
Manam-paniriana ny hitantana ny firenena ny antoko kanefa mila fiomanana sy fotoana lava izany. Na izany aza, rehefa misy ny azo atao omena tolo-tanana ny mpitondra. Tsy maintsy atao izany satria izay no antom-pisian’ny politika manasoa vahoaka.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *