Socio-eco

« Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » : Manohana an’i Pasitera Mailhol


Nahita ny tetikasan’i Pasitera Mailhol ny « Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » (SAINA). Hitan’izy ireo fa ity Pasitera ity no afaka hanome vahaolana maharitra amin’ireo fitakiana isan-karazany ataon’ny sedikan’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Tapaka tamin’ny fihaonambem-pirenena nataon’ny « SAINA » ny 23 Jolay 2018 lasa teo, nanapaka fa manolotra sy manohana ny filatsahan’i Pasitera Mailhol Christian Dieu Donné ho fidiana filoham-pirenena.
Teo alohan’izao fanampahan-kevitra izao dia nisy ny fihainoana ny hevitr’ireo mpanao politika sy kandidà maromaro. Ny Pastera Mailhol no naharesy lahatra ireo mpikambana ao amin’ny « SAINA ». Naneho fahavononana ity kandida ity hiaro ny hasin’ny fanabeazana sy ny mpanabe. « Ilaina ny manarina ny politikam-panabeazana eto Madagasikara ka hatsangana ny tahirim-pirenena an’ny Fanabeazana (TAFA). Eo ihany koa ny Banky ho fampandrosoana ny Fanabeazana (BFF) », hoy ny filohan’ny « SAINA », Rakotondramanana Tina Josoa. Apetraka ny rafitra lehibe iray hanaovana fikarohana sy fandalinana ara-pedagojika hanavaozana mitohy ny rafi-panabeazana hanofanana ireo mpampianatra. Hatsaraina sy hakarina ny fari-pianan’ny mpanabe, toy ny tambin-karama, trano fonenana ary ny fahasalamana. Nomarihan’ny pasitera Mailhol kosa anefa fa tsy ho vita avy hatrany izany vao lany izy fa tsy maintsy misy ny fanitsiana ny tetim-bolam-panjakana.

Nirina R.

Horonan-tsary

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *