Socio-eco

Mpandraharaha avy any Dubai: Hanohana ny tetikasan’ny mpianatra


Mitohy ny fiarahamiasa eo amin’ny onversite GSI sy ny mpandraharaha ara-toekarena Ny Rado Rafalimanana. Nihaona tamin’ireo mpandraharaha avy any Dubai sy Hollande niaraka tamin’ny ministry ny indostria sy fampivoarana ny sehatra tsy miankina, Guy Rivo Randrianarisoa sy Ny Rado Rafalimanana ireo mpianatry ny oniversite GSI ny 28 jolay 2018. Nanoro lalana ny mpianatra momba ny fananganana orinasa ireto mpandraharaha ireto. Nizara ny lalana nodiaviny ka nahatonga azy ireo ho lasa mpanefoefo ary nandraharaha ao Dubai ireo tanora sinoa 12 nihaona tamin’ny mpianatry ny GSI. Vonona hanome Tanana ireo mpianatra manana tetikasa ireto mpandraharaha vahiny ireto. Noho izany, hanasa ireo mpianatra manana izany i Ny Rado Rafalimanana hanao fampiratiana  izay atao any Dubai ny volana septambra ho avy izao.
Ankoatra izany, hanohana ireo tanora manana tetikasa ihany koa ny ministeran’ny indostria sy fampivoarana ny sehatra tsy miankina. Mandritra ny andro natokana ho an’ny indostria amin’ny volana novambra 2018 dia hizara loka lehibe ho an’ireo tetikasa folo ny ministera, araka ny fanazavan’ny ministra Guy Rivo Randrianarisoa. Misokatra ho an’ireo manana tetikasa rehetra ity fifaninana ity. Tanjona ny hananganan’ny tanora ny orinasany manokana.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *