Socio-eco

Fandefasana vola mankany ivelany: Azo atao amin’ny alalan’ny Postransfer


Ao anatin’ny firenena Afrikanina dimy voalohany mampiasa ny Postransfer i Madagasikara. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teo anoloan’ireo delege avy amin’ny firenena 43 nanatrika ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny fivondromben’ny paositra eto Afrika (Conférence des Plénipotentaires de l’Union Panafricaine des Postes – UPAP) ny 26 jolay 2018 io tolotra vaovao ampiasain’ny paositra Malagasy io. Nambaran’ny ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana haitao ara-kajy mirindra, Maharante Jean de Dieu fa hanala ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fandefasana vola ho an’ny zanany mandranto fianarana any ivelany ny Postransfer. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Paositra Malagasy Nirina Augustin Rakotomalala fa azo handraisana vola avy ivelany ihany koa ny Postransfer. Mora ny sarany ary azo antoka ity tolotra ity.

Nirina R.


One comment on “Fandefasana vola mankany ivelany: Azo atao amin’ny alalan’ny Postransfer

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *