Socio-eco

OMS : Hamafisina ny fanaovana vakisiny


Olana amin’ny tsy fahavitan’ny vakisiny any amin’ny faritra sasany ny tsy fandriam-pahalemana. « Ho an’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity, 55 isan-jato ny tahan’ny fanaovana vakisiny any amin’ny distrikan’i Iakora. », hoy ny tale-paritry ny fahasalamana, Rakotozandriny Validor. Eran’i Madagasikara kosa , efa 67 isan-jato izany nanomboka ny taona 2018 ka hatramin’izao. Ny taona 2017, 87 isan-jato no vita vakisiny manerana ny nosy. Tanjona noho izany ny hampiakatra ny tahan’ny fanaovana izany mba hihoatra ny 90 isan-jato hatramin’ny taona 2020 , hoy ny tale misahana ny fanaovam-bakisiny, Ramamonjisoa Bodohanta. Hidina eny amin’ny fokontany izy ireo hijerena ny olan’ny toerana tsirairay mba ahatanteraka ny tanjona io.

Marihana fa efa nahazo fankatoavana isika eto Madagasikara fa afaka amin’ny lefakozatra. Noho izany, tsy maintsy misy ny ezaka atao hitazomana izany amin’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona 2018 ity. « Raha tiana ny hitazona izany, tsy maintsy hamafisina voalohany ny fanaovana vaksiny. Eo ihany koa ny fanaraha-maso ireo tranga fahalemena tampoka eny amin’ny fiaraha-monina eny », hoy  ny solontenan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momban’ny fahasalamana eto Madagasikara (OMS), Charlotte Ndiaye. Olana mitranga ny tsy fahatongavan’ny vaovao sy ireo antontan’isa any amin’ny minisiteran’ny fahasalamana noho ny antony isan-karazany ka hatsaraina izany.

Nisy ny atrik’asa nataon’ireo mpisehatra amin’ny fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny OMS ny zoma 27 Jolay 2018 lasa teo nandinihana izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *