Olana amin’ny tsy fahavitan’ny vakisiny any amin’ny faritra sasany ny tsy fandriam-pahalemana. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
Fandefasana vola mankany ivelany: Azo atao amin’ny alalan’ny Postransfer
Ao anatin’ny firenena Afrikanina dimy voalohany mampiasa ny Postransfer i Madagasikara. Continuer la lecture
Antoko FREEDOM : Miady ny hamerenana ny hasin’ny politika
Nahatsiaro ny faha 10 taona nahalasanan’i Herizo Razafimahaleo ny antoko Freedom ny Alarobia 25 Jolay 2018 lasa teo. Continuer la lecture
DAVIDA MAITSO KELY: Tafiala tao an-davaky ny liona
Nanazava ny antony nialàny tao amin’ny antoko politika HVM ny ministry fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary. “Efa feno ny fepetra ka tsy mitovy hevitra intsony”, hoy i Paul Rabary nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 25 jolay 2018. Continuer la lecture
TRONDRO AN-DRANOMAMY: Miroso amin’ny matihanina ireo mpivarotra
Zava-dehibe eo amin’ny sakafo ny fahadiovana manomboka eny amin’ny fakàna azy ka hatrany amin’ny fivarotana azy toy ny trondro an-dranomamy. Noho izany mendrika ny trondro madio ny mpanjifa. Continuer la lecture
« Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » : Manohana an’i Pasitera Mailhol
Nahita ny tetikasan’i Pasitera Mailhol ny « Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » (SAINA). Hitan’izy ireo fa ity Pasitera ity no afaka hanome vahaolana maharitra amin’ireo fitakiana isan-karazany ataon’ny sedikan’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Continuer la lecture
Baolina kitra malagasy: Mitaky fanorenana ifotony ny K2HB
Tao aorian’ny nahalany an’i Ahmad ho filohan’ny “Confédération Africaine de Football ) CAF, dia mahatsapa ny Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina kitra Malagasy ( K2HB ) fa betsaka ny olana sedrain’ny baolina kitra eto Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo fifidianana isan’ambaratongany, toy ny seksiona, ny ligim-paritra, ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF). Continuer la lecture
« The Creative Life » : Roa ny nahazo loka
Maro ny lalao azo natao nandritra iny fifaninana baolina kitra maneran-tany iny. Anisan’ireo nikarakara lalao ho an’ny mpanjifa ny fahitalavitra « The Creative Life » ( TCL ) ny «Uditec» . Continuer la lecture
TAMBOHOBE: “Tapa-tenda ny ray aman-dreny”
Feno 15 taona ny fikambanana Tambohobe na Tanora Mbola Ho Beazina. Ho fanamarihana izany tsingerin-taona niforonany izany dia mikarakara lalao “rugby” ravahina fampisehoana vakisôva ny fikambanana. Ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy, amin’ny tanora, amin’ny vehivavy no fototra nijoroan’ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2002 ka hatramin’izao. Raha ny tantara, niainga teny amin’ny fokontany Andraisoro, boriborin-tany faha-dimy no niforonan’ny Tambohobe. Faritra mena amin’ny lafiny herisetra io fokontany io. “Ny fanolanana ankizy sy tovovavy no tena mpitranga teny an-toerana”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Willy Rabenjamina. Lalao baolina lavalava roa lehibe no hitranga ny 29 jolay 2018. Ny 17 aogositra 2018 kosa ny fotoam-pivavahana. Eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny famaranana ny fankalazana, ny 02 septambra 2018.
Vakisôva
Nijoro ny fikambanana hiady amin’ny herisetra amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny zaza sahirana an-tsekoly no andraikitra noraisin’ny fikambanana. Ankoatra izany, namelomaso ny “vakisôva” ny Tambohobe. Amin’ny alalan’ity zava-kanto ity no hanabeazana ny tanora. “Sady fampatsiahivina ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ny vakisôva amin’ny maha gazety an-kira azy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Tambohobe, Rivoson Théogène. Nambaran’i Myriam, ramatoa mpiangaly ny sôva fa fanaovana ampamoaka ny zava-misy amin’ny alalan’ny hira ny vakisôva. Fitaovana iray hananarana ny ankizy sy ny tanora ihany koa ity zava-kanto ity. “Noho ny fahasahirana mianjady amin’ny tokantrano dia ny zanaka indray no mibaiko ny ray aman-dreny. Tapa-tenda ny ray aman-dreny raha mananatra ny zanany. Raha mba manam-bola kely ny zanaka dia izy no maniraka ny ray aman-dreny. Mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy anefa izany satria natao hanaja ny ray aman-dreny ny zanaka”, hoy i Myriam. Miompana amin’ny ady amin’ny herisetra sy hampiroboroboana ny soatoavina Malagasy ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taona ny Tambohobe.
Lynda A.
Rugby: Mikarakara fifanianana ny “Tambohobe”.
Entin’ny “Tambohobe” ankalazana ny faha 15 taonany ny fikarakarana fifaninana lalao baolina lavalava ahitana ireo ekipa manana ny maha izy azy eto Analamanga. Continuer la lecture











