Socio-eco

TRONDRO AN-DRANOMAMY: Miroso amin’ny matihanina ireo mpivarotra


Zava-dehibe eo amin’ny sakafo ny fahadiovana manomboka eny amin’ny fakàna azy ka hatrany amin’ny fivarotana azy toy ny trondro an-dranomamy. Noho izany mendrika ny trondro madio ny mpanjifa. Izay no nahatonga ny “ Malagasy Professionnels d’Elevage” ( MPE ) nanao ny tetik’asa « AMPIANA » hitandroana ny fahadiovan’ny trondro an-dranomamy eny an-tsena. Tetik’asa andrana no atao ka mpivarotra trondro an-dranomamy eny ambony latabatra eto amin’ny faritra Analamanga no hozaraina fitaovana manara-penitra. Ahitàna elobe, latabatra fivarotana, “bidon avec robinet” ireo fitaovana nozaraina. Ho fiarovana ny trondro tsy ho tratry ny herin’ny masoandro, fikajiana ny fahadiovana no tanjona eto. Ny Vondrona Eoropeana no mamatsy vola ny tetikasa ”AMPIANA”.
Nandalo fiofanana momba ny fikarakarana ny trondro an-dranomamy ho tsara kalitao ireto mpivarotra ireto, hoy ny lehiben’ny tetikasa “AMPIANA”, Rija Randriamarolaza.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *