Rehefa ankatoky ny volana Septambra toy izao dia maro ireo izay te hanavao ny ao antokantrano ao. Ao anatin’ izany indrindra dia vao nahatonga entana lohalaharana amin’ ny kalitao nyTranombarotra « Baolai » etsy Soarano, Analakely ary ao Bazar be Toamasina.
« Maro azo hisafidiana tsara nyentana ato aminay. Ny antsipiriany izany rehetra izany dia azo fantarina ao amin’ ny « site web » sy pejy fb : baolai ary ao amin’ ny 034 56 288 21 (amin’ ny ora fiasana) … » hoy ny tompon ‘ andraikitra.
Catégorie Socio-eco
CNFM-EFOI: Nitondra zava-baovao ho an’ny vehivavy mpandraharaha sy ireo fikambanam-behivavy ny tetikasa IMPACT
Tao anatin’ny roa andro dia nahazo fiofanana fanamafisana fahaiza-manao ireo vehivavy mpandraharaha mivondrona ao amin’ny EFOI (Entreprendre au Féminin de l’Océan Indien) sy ny fikambanam-behivavy ao amin’ny CNFM (Conseil National des Madagascar de Madagascar). Continuer la lecture
BEN’NY TANANA ALASORA : omena maimaim-poana « permis de conduire » ny tanora monina eny Alasora
Sambany tamin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy ben’ny tanana hanome maimaim-poana « permis de conduire » ho an’ny mponina ao aminy. Continuer la lecture
SEHA-PAMOKARANA AO ALAOTRA MANGORO: Nahomby ny ady sisika nataon’ny GSDM momba ny «agroécologie »
Fitsidihana ireo saha sekoly nanaovana fampiharana momba ny «agroécologie » sy atrikasa anaty efitrano hanombanana ny zava-bita sy hiaraha mitondra vahaolana manoloana ireo olana sedrain’ireo tantsaha noho ny fiovan’ny toetr’andro, tsy fahampiana ara-tsakafo ary ny tsy fahampian’ny rotsakorana no nanamarihan’ny GSDM ny andro natokana ho an’ny « agroécologie » tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Continuer la lecture
ROCADE ETO ANTANANARIVO : Namoaka didy ny MATP hanamoràna ny fandoavana ny onitr’ireo tompon-tany
Hisy ny fanadihadiana lalina hanamarinana ny maha tompon-tany. Mahatonga ny fahataran’ny fandoavana ny onitr’ireo tompon-tany voakasiky ny fanamboaran-dalana Rocade ny tsy fananan’ireo tompon-tany ny antontan-taratasy takiana. Continuer la lecture
VAM : Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana
Eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena izao dia maro ny manao fanambarana. Nanao izany ny Vondron’Ambany tanana Miray (VAM) teny Anosizato ny 06 aogositra 2021. Continuer la lecture
FITRAMA : Misy hatrany ny fizahana tsy andoavam-bola amin’ity faran’ny herinandro ity
« Tsy ny vola no zava-dehibe fa ny mpiray tanindrazana ». Ho fanohizana ny fanampiana ireo malagasy rehetra dia mitohy ny fizahana mailaim-poana ny sabotsy sy ny alahady. Continuer la lecture
RAFANOMEZANTSOA JEAN NIRINA : « Tsy mitady fifamaliana na fifandirana… »
« Aza solokiana ny ambany tanana ». Gaga amin’ny fihetsiky ny solombavambahoaka Rossy ny mpitarika ny Hafari raha nampiantso mpanao gazety ny 06 aogositra 2021 kanefa nisy ny fampiantsoany an’ireo ao amin’ny fikambanana ka niresaka teny an-tranon’ity solombavambahoaka ity ny 05 aogositra 2021, nifandamina, fihavanana no namafisiny. Continuer la lecture
FIANAKAVIAMBEN’NY MAINTY MAINTIENINDRENY MIRAY : Manohitra ny fanaratsiana bontolo sy tambabe ataon’ireo hery vahiny sy ireo gasy safiotra
Tsy mankasitraka ny fihetsika fihantsina. Nizara roa ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ireo ray aman-dreny sy mpitan-kazomanga ao amin’ny fianakaviamben’ny mainty maintienindreny miray teny amin’ny kianjan’ny kanto ny 06 aogositra 2021. Continuer la lecture
FISANDRATAN’NY FARITR’ITASY : Amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompina ary ny fizahantany
« Faritr’itasy vonona ka tsy maintsy mandroso ». Manana trano heva 15 ny faritr’Itasy amin’ity foara Fier Mada 2021 ity. Niditra an-tsehatra amin’ny fanomanana sy fikarakarana ireo tantsaha sy mpanodina vokatra avy any amin’ny faritr’Itasy ka mandray anjara mandritra ny Fier Mada andiany faha 22 ny governoran’ny faritr’Itasy, Andriamanana Maherizo sy ny loholon’i Madagasikara, Randriamanantenasoa Landy. Fisandratana ny faritr’Itasy amin’ny alalan’ny eny ambanivohitra no tanjon’ny Governora. « Sehatra iray hampahafantarina ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana ary asa tanana avy any amin’ny faritr’itasy ity foara Fier Mada atao eto amin’ny kianjan’i Maki ity. Tsy vitan’ny fivarotana ireo vokatra fotsiny ihany ny fahatongavana eto fa fotoana ahitana ahitana mpiara-miombon’antoka sy lalam-barotra ihany koa mba hampitombo ny vola miditra ho azy ireo », hoy ny Governoran’ny faritr’Itasy. Vokatra mampiavaka ny faritra ny trondro, ovy, sakamalao, kafé…Efa manomboka manandrana fambolena vary Hybride ny tantsaha sasany. Mahatratra 19 taona ny iray hektara. Raha manao izany fomba fambolem-bary izany ny tantsaha rehetra dia ho tanteraka ny velirano faha-9 nataon’ny Prezidà Andry Rajoelina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy izy. Roa karazana ny fomba hitondrana ny fandrosoana ny faritra raha ny nambaran’ny Governora. Tombony ho an’ity faritra ity ny fananana tany mamokatra noho ny fisian’ny vôlokana. Tokony hifototra amin’ny fambolena noho izany ireo tantsaha. Eo ihany koa ny fizahantany, azo atao tsara ny manasongadina ny faritra amin’ny sehatry iray ity. Ankoatra izay dia hanampy ireo tantsaha amin’ny fanomezana masomboly voafantina, zana-trondro ny faritra. Tsy voatery manana dobo raha hiompy trondro fa na atao any an-tanimbary dia efa mety sady mahatsara ny voka-bary izany, hoy ny Governora.
« olan’ny tantsaha ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-mamokatra. Eo ihany koa ny tsy fahitana lalam-bokatra amin’ny zavamisy ankehitriny kanefa asehon’ireo tantsaha amin’ny trano heva izao fa mahavokatra izy ireo »,hoy ny loholon’i Madagasikara. Hita sy voamarina amin’izao koa fa voatsinjara ara-drariny ny fanampiana avy any amin’ny fanjakana ka isaorana azy izany, hoy izy. Ireo tantsaha ireo dia nahazo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fambolena.
Ra-Nirina





















