Socio-eco

VAM : Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana


Eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena izao dia maro ny manao fanambarana. Nanao izany ny Vondron’Ambany tanana Miray (VAM) teny Anosizato ny 06 aogositra 2021. Manamafy ny fanohanana tsy misy fepetra ny ezaky ny fitondram-panjakana izay tarihan’ny Prezidàn’ny repoblika, Rajoelina Andry amin’ny fampandroana ny firenena. Tsapan’izy ireo kosa anefa fa miainga amin’ny ezaky ny isan-tokan-trano no vahaolana amin’ny fampandrosoana ary tsy maintsy miasa vao mihinana. Noho izany dia hiroso amin’ny fanatsarana sy ny famoronan’asa ho an’ny tsirairay ny VAM ary hiaro azy ireo ka hanatsara ny fiveloman-tena. Tsy hangataka lava fa hanatsara ny fiveloman-tena indrindra ny ao anatin’ny fikambanana VAM, hoy Botomavo Laurent, Filohan’ny VAM.

Miantso ny  hanandratana ny maha-malagasy sy hiarovana ireo soatoavina sy ny fomba amam-panao malagasy rehetra izy ireo. Hijoro hatrany  hanatsara ny fanatanjahatena, ny fampitaovana azy ireo. Ankoatra izay, hiezaka hampiray sy hampiavana mba hisian’ny firahalahiana ny fikambanana. Eo ihany koa ny fijoroana hiaro ny zo maha-olombelona sy fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny tany sy nh firenena.

Eo anatrehan’ny fikasana hamono ny Prezidà Rajoelina Andry dia manameloka izany izy ireo ary mitaky ny hamoahana ny marina momba izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *