Hisy ny fanadihadiana lalina hanamarinana ny maha tompon-tany. Mahatonga ny fahataran’ny fandoavana ny onitr’ireo tompon-tany voakasiky ny fanamboaran-dalana Rocade ny tsy fananan’ireo tompon-tany ny antontan-taratasy takiana. Araka ny lalàna 62-023 tamin’ny 19 septambra 1962 momba ny fampiasana ny tany ho tombontsoa ho an’ny daholobe dia tsy maintsy manana certificat de situation juridique ireo tompon-tany vao afaka omena onitra. Izay mahatonga ny fahasarotana amin’ny fandoavana ny onitra an’ireo 518 parsely noho ny tsy fananan’ireo tompon-tany izany. Manoloana izany indrindra dia namoaka didy ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP) ny 30 jona 2021 mba hanafangainana ny fandoavana ny onitra ho an’ireo sokajin’olona ireo. « Mety haharitra ny fotoana hikarakarana izany satria hanao fanadihadiana lalina ny ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hanamarinana fa tena tompon-tany tokoa ilay olona. Vao tonga eny amin’ny guichet unique ireo olona voakasik’izany dia hidina eny ifotony ny vaomiera ivondronan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny ministera isan-tsokajiny miaraka amin’ny manam-pahefana eny an-toerana ny hanao fanadihadiana lalina. Raha misy ny adin-tany dia afaka mandefa ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny andaniny sy ny ankilany. Mahazo ny onitrany ao anatin’ny 30 taona ireo olona voakasiky ny tetikasa rehefa ara-dalàna ny antontan-taratasin’izy ireo » hoy ny Talen’ny fananantany eo anivon’ny MATP, Andriamanjatolaza Raharo nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety.
Noho izany, antsoina ireo tompon’ny tany na tanimbary voakasiky ny fanamboaran-dalana Rocade ka mbola tsy nandray ny onitra mahakasika izany ary manana olana amin’ny famenoana ireo antontan-taratasy rehetra ilaina, mba ho tonga hanatrika ny fivoriana izay atao amin’ny efitrano malalaky ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Anosy amin’ny 09 ora maraina amin’ireto daty manaraka ireto :
Fokontany
- Analamahitsy tanàna, Amboditsiry , Ambatobe : 10 aogositra 2021
- Nanisana, Ankerana Ankadindramamy : 11 aogositra 2021
- Ambohidahy, Soamanandrariny : 17 aogositra 2021
- Ambohimahitsy : 18 aogositra 2021
- Ikianja, Ambatomaro : 24 aogositra 2021
- Ambolonkandrina, Amoronakona : 25 aogositra 2021
Ra-Nirina