Socio-eco

CNFM-EFOI: Nitondra zava-baovao ho an’ny vehivavy mpandraharaha sy ireo fikambanam-behivavy ny tetikasa IMPACT


Tao anatin’ny roa andro dia nahazo fiofanana fanamafisana fahaiza-manao ireo vehivavy mpandraharaha mivondrona ao amin’ny EFOI (Entreprendre au Féminin de l’Océan Indien) sy ny fikambanam-behivavy ao amin’ny CNFM (Conseil National des Madagascar de Madagascar). Nanomboka ny 25 aogositra ary nifarana ny 26 aogositra 2021 ity fiofanana niarahana tamin’ny tetikasa IMPACT ity. 30 ny isan’ireo vehivavy nahazo ny fiofanana ary avy amin’ny faritra maro toa an’i Ihormbe, Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina, Antananarivo. « Fiarahamiasa mahomby ho entina manatsara ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ny fahafahan’ny olona rehetra misitraka ny fanafody ara-kalitao sy ireo tolotra ara-pahasalamana misy eto Madagasikara ity fiofanana ity », hoy tomponandraikitry ny miralenta sy ny fampandraisana anjara ny olona rehetra (égalité de genre et inclusion sociale) eo amin’ny tetikasa IMPACT,  Malanto Rabary. Nambarany fa ho mpitarika tena mahomby  ary mpitondra teny ao anatin’izay fiarovana ny zon’ny olombelona no tanjona amin’ny fampiofanana.

Manana andraikitra

Efa hatramin’ny taona 2020 ny fiarahamiasa teo amin’ny CNFM sy ny EFOI ary ny tetikasa IMPACT. « Nahazo tombony betsaka amin’ity tetikasa ity izahay. Ny androany dia fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny resaka miralenta any amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fitsinjarana fanafody. Eo ihany koa ny fahasalaman’ny ren’ny zaza, fandrindram-piterahana sy ny ady amin’ny tazomoka », hoy ny filohan’ny  CNFM, Andriamasy Estelle.  Araka ny fanazavany dia nahazo fiofanana fanamafisana fahaiza-manao amin’ny resaka fitarihana sy fifandraisana  ihany koa izy ireo. Tombontsoa lehibe ho an’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto amin’ny ranomasimbe Indiana (EFOI) ihany koa ity fiofanana ity satria noresahana tamin’io fotoana io ny fanaovana ady sisika, fahazoana famatsiam-bola, ny fananganana tetikasa. « Fotoana nifankaherezan’ny vehivavy noho ny Covid-19 ity hetsika ity… mahatsapa ho manana andraikitra lehibe amin’ny fanarenana ny toekarena, lafin’ny fiarahamonina ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara izahay vehivavy », hoy Ramanantsoa Harilala avy ao amin’ny EFOI Madagasikara.

Fiovàna

Rehefa samy miparitaka any amin’ny toerana misy avy ireo mpiofana dia hizara ny fahalalana azon’ireo any amin’ny fikambanana misy  azy avy sy eny anivon’ny fiarahamonina. « Nitondra fiovàna, nahazoana fahalalana be dia be , hitondra fiovàna eo amin’ny distrika misy ahy satria hanentana ny mponina hanatona ny tobim-pahasalamana, hahalala ny zony amin’ny fisitrahana fanafody aho », hoy Razafindraibe Hanitriaina Valérie, mpiofana avy any Ambohimahasoa . “Hitondra fiovàna, hampiroboroboana ny fitantanana ho an’ny mpandraharaha any an-toerana ny fahalalana azoko teto », hoy Raharivololona Hanta Florence avy any Ihorombe.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *