Catégorie Socio-eco



RDJ MOZIKA 2019: Mbola misy ny fotoana hisafidianana ireo mpanakanto mendrika indrindra


Lanonana fanaon’ny onjam-peo 96.6 FM isan-taona ny “Rdj mozika” ho fankasitrahana ireo mpanakanto malaza. Ho an’ny taona 2019, sokajy 22 no hotolorana izany. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, ny 30 janoary 2020 teny Ambodivona fa ireo mpankafy no tompon-tsafidy ny tokony ho mpanankanto mendrika handray ny amboara isaky ny sokajy. Continuer la lecture


ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Hizara mivantana ny fanomezany any amin’ny traboina.


Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboina. Manao antso avy amin’ny fitondram-panjakana ny ONG Ny Fanahy maha olona hanome alalana ny fiaramanidina hitondra ireo fanampiana ho an’ireo traboina vokatry tondra-drano. Nambaran’ny filohan’ny ONG, Ny Rado Rafalimanana ny 27 Janoary 2020 tamin’ny mpanao gazety fa iray andro aorian’ny faneken’ny fitondram-panjakana dia higadona eto Madagasikara io fiaramanidina io. Continuer la lecture


FEDERASIONAN’NY SEMPAMA ANTANANARIVO: Manahy ny tsy hahatanteraka ny veliranon’ny Prezidàn’ny Repoblika


« Manamarina ny valan-dresaka nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry  tamin’ny mpanao gazety ny tombana nataonay ». Nanao tombana ny toe-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ny federasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) sampana Antananarivo ka nampahafantariny tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety izany  ny 27 janoary 2020 teny Mahamasina. Continuer la lecture


STAR sy ny Consulat de Monaco : Manavao fiaraha-miasa


Ny taona 2015 no efa niara-niasa ny Star sy ny consulat de Monaco eto Madagasikara, izay manohana ireo ankizy sahirana maro ahafahana mandrato fianarana.

 Araka ny fanambaran’ny UNICEF dia 10% amin’ireo zaza 2 tapitrisa, telo hatramin’ny enin-taona, eto Madagasikara no tafiditra kilasy famolavolana ho an’ny daholobe. 75% ireo ankizy tafiditra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ary ny telo amin’ireo folo ihany no tonga eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Continuer la lecture


GROUPE FILATEX- DERA ENERGY: Hamatsy herinaratra avy amin’ny angovo maitso ao Toamasina


Fampihenana ny saran’ny famokarana herinaratra ataon’ny Jirama.. Ho tohiny fampahafantarana tamin’ny taona 2019, ao anatin’ny tanàn-dehibe efatra nosafidian’ny vondron’orinasa Filtex sy ny orinasa kanadiana « Danish Energy Regulatory Authority »  (Dera Energy)  hanatanterahana ny tetikasa famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo maitso i Toamasina. Continuer la lecture