Catégorie Socio-eco



HAINGONALA : Mitondra ireo karazana voankazo kely dia misy voany eny amin’ny Fier Mada


Fotoana iray hitondran’ireo tantsaha ny vokatra ny Fier Mada. Anisan’ireo mandray anjara amin’ity foara ity izay atao eny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenakany Haingonala. Fantatra amin’ny fikarakarana sy famokarana ireo karazana voankazo kely dia misy voany izy ireo. Miavaka ny amin’ity Fier Mada 2021 izay nanomboka ny 04 Aogositra 2021 ka hifarana ny 08 Aogositra 2021 raha ho an’izy ireo satria misy vokatra telo vaovao azon’ny mpanjifa jifaina eny amin’ny trano heva misy an’ny Haingonala, toy ny Kiwi, cerise ary kaki vaovao. Eo ihany koa ireo  karazam-boasary miisa 20. « Ankoatra ny voankazo ahafantarana anay dia mitondra ny tantely misy tsiro sy hanitra voasary izahay . Efa manomboka mamokatra voninkazo kely , karazana azalée 20 ny Haingonala », hoy Rakotoniaina Michel, tonian’ny Haingonala. Mihatsara ny vokatra raha hoharina tamin’ny teo aloha. Ny voasary manify ny hodiny, telo volana dia efa mamelana. Ankehitriny dia ny voankazo efa mamoa mandavan-taona izay in-efatra isan-taona. Tsy mifidy tany ireto voankazo ato amin’ny Haingonala satria fasika, zezika ary tany ny haniriany, hoy izy. Ankoatra izay dia miompy kakana ihany koa ary mamokatra zezika tain-kakana izy ireo.

Ra-Nirina


GRANDES VACANCES 2021 : ARRIVAGE ENTANA MARO AO AMIN’NY BAOLAI


 

Amin’ izao vaninandro izao dia ny hiaka faran’ ny teknolojia no isan’ ny mahasarika ny rehetra maneran – tany. Ny etoamintsika dia ao amin’ ny Tranombarotra « Baolai » etsy Analakely , Soarano ary ao Bazar Be – Toamasina no anisan’ ny ahitana izany .« Ny entana rehetra ato aminay dia « premier choix » daholo. Ary natao mifanandrify hatrany amin’ ny filàna sy fahefam – bidin’ ny tsirairay » hoy ny tompon’ andraikitra. Maro karazany tokoa nyzavatra hita ao ao amin’ ity Tranombarotra lehibe iray ity. Continuer la lecture


MATP : Le PADARNE sera l’occasion d’utiliser l’outil ZAC pour la première fois à Madagascar


Dans le cadre du projet d’aménagement et de développement des abords de la rocade nord-est (PADARNE), un protocole de partenariat est mis en place entre le Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Travaux Publics (MATP) et les 3 Communes concernées à savoir, la Commune Urbaine d’Antanananarivo, la Commune d’Ambohimangakely et la Commune d’Ankadikely Ilafy. Continuer la lecture