Socio-eco

BEN’NY TANANA ALASORA : omena maimaim-poana « permis de conduire » ny tanora monina eny Alasora


Sambany tamin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy ben’ny tanana hanome maimaim-poana « permis de conduire » ho an’ny mponina ao aminy. Iaraha mahalala ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny tsy fisian’ny asa noho ny antony maro. Noho izany indrindra no nahatonga ny ben’ny tanànan’Alasora, Jimmy Randriantsoa hanampy ny tanora lahy sy vavy 20 ka hatraminy 40 taona mba hahazo « permis de conduire » na taratasy fahazoan-dàlana mamily fiarakodia. Sokajy B ity taratasy fahazoan-dàlana hamily fiarakodia ity ho an’izay vonona hianatra. Ny kaominina no hiantoka ny lany rehetra amin’ny fianarana ka hatramin’ny fahazoana izany « permis de conduire catégorie B » izany. Tsy maintsy manaraka ny fepetra kosa anefa ireo izay hianatra ka maniry ny ahazo izany. Tsy maintsy mahay mamaky teny sy manoratra, manam-potoana mandritra ny fampianarana ary monina eny amin’ny kaominina Alasora. Ho an’izay liana amin’izany dia afaka manatona ny biraon’ny kaominina ao aminy varavarana faha-2 hatramin’ny 30 aogositra 2021. Ireto avy ny zavatra ilaina, taratasy manamarina fa monina eny amin’ny kaominina Alasora, ny CV ary ny photocopie kara-panondro.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *