Sambany tamin’ny tantaran’ny toe-karena Malagasy no nisy hetsika natokana ho fampirantiana ny maha Malagasy any Strasbourg. Mandritra ny fito andro be izao no hanaovana izany, any amin’ity tanan-dehibe an’ny Eropeanina ity. “…des lémuriens au pays des cigognes”, hetsika ara-barotra hampahafantarana ny fomba fanao sy fahaiza-manao rehetra mampiavaka ny firenena Malagasy toy ny sakafo, asa tanana, fizahan-tany, ny kolotsaina… Continuer la lecture
Auteur R Nirina
VAKY NY FEFILOHA ENY MALAZA
100 Metatra ny halavan’ny fefiloha vaky eny Malaza…difotry ny rano ireo tanim-bary.
Nirina R.
BNGRC: Ireo mpiara-miombona antoka no tena manampy amin’ny fiatrehana ny loza.
Hiditra ao Antalaha anio ny rivo-doza ENAWO. Ny 8 sy ny 9 martsa kosa izy no vinavinaina handalo eto Antananarivo. Araka ny fanazavan’ny sampana mpamatra ny toetra andro Malagasy, anisany rivo-doza mahery i ENAWO. Continuer la lecture
VIMA: Manampy tosika ireo tanora amin’ny fanomezana asa.
Dingana sarotra indrindra ho an’ny mpianatra nahavita ny ambaratonga ambony ny fitadiavana asa. Isan-taona, mikarakara hetsika momban’ny orinasa ny ISCAM ho fanampiana ireo mpianatra ao aminy. Continuer la lecture
VAHOAKAN’I MORONDAVA : 8 volana tsy nahita Televiziona Malagasy ( TVM )
« Efa valo volana ny mponina eto Morondava no tsy nahita ny Televiziona Malagasy ( TVM) ». Continuer la lecture
TURQUIE/MADAGASIKARA: Teraka ny fiarahamiasa amin’ny samy mpandraharaha.
Fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena Turc sy Malagasy, nomena vahana ny fitadiavam-piarahamiasa amin’ny samy mpandraharaha. Mpandraharaha Malagasy sy tompona orinasa eto Madagasikara miisa 400 sy mpiantsehatra amin’ny lafiny ekonomika turc 140 no nifampizara traikefa momban’ny fampandrosoana ny toe-karena. Continuer la lecture
Echos de Mavoloha « Ils ont dit… »
Rakotonirina Gérard, Président OJM
Miarahaba ny mpanao gazety rehetra noho ny taombaovao ary mirary ny fanohizana ny asa ao anatin’ny fahamendrehana ho mendrika kokoa ny fahatokisan’ny fiarahamonina izay manankina andraikitra amintsika mpanao gazety hanome vaovao azy. Continuer la lecture
FAHATAPAHAN-JIRO MAHARITRA : Inona no tena marina ?
Efa tsy zoviana amin’ny Malagasy rehetra ity atao hoe « fahatapahan-jiro maharitra na delestazy » ity. Fanina tanteraka ny mpanjifa ny herinaratry ny JIRAMA ankehitriny noho ny hafitsoky ny fahatapahana efa ho adin’ny telo amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Ny tena mampalahelo, ny fanilihana ny olana amin’ny hafa. Continuer la lecture
IAVOLOHA : Tsy navela hitondra finday ny mpanao gazety.
Nitokona tsy niditra ny lapam-panjakana Iavoloha ny mpanao gazety omaly sady nimenomenona. Anton’izany ny nandrarana ny tsy hitondra ny findain’ izy ireo izay anisan’ny fitaovana entina hanatanterahana ny asa fampita-baovao. Continuer la lecture
MANANDAFY Rakotonirina Miala amin’ny « décolonisation » mankamin’ny « mondialisation ».
Miala amin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao i Madagasikara ka miditra tanteraka ao amin’ny fanatontoloina. Izany raha fintinina ny famakafakan’ny filohan’ny MFM Manandafy Rakotonirina ny zotra harahan’ny firenena malagasy ankehitriny. Anterivava natokany ho an’i Délire Madagascar. Continuer la lecture











