Feno 150 taona ny fiarahamiasan’ i Madagasikara sy Etazonia. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 25 aprily 2017 ny fankalazana izany. Tao amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely no nanatanterahana ny lanonana ka anisany nanotrona izany ny orinasa Vision Madagascar (VIMA).
Nasain’ny Ambasadaoron’ny Etazonia, Robert Yamate avokoa ireo mpiara-miombona antoka sy ny mpiara-miasa akaiky amin’ny masoivoho an’Etazonia miasa eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny Filoha Tale Jeneralin’ny VIMA, Zouzar BOUKA.
Nirina R.