politique

VTSR: “Tsy marin-toerana ny fitondrana ankehitriny”.


Resy  lahatra ny VTSR  izany ivondronan’ny mpanao politika manohana sy manohitra ny fitondrana ary ny afovoany fa ahitana kolikoly avokoa  ny ratsa-mangaikam-panjakana  rehetra ka izany no mahatonga ny fitondram-panjakana tsy marin-toerana.   Noho izany, mila  esorina avokoa ireo manao ny tsy mety.  Ny fanadiovana ny fitantanana ho fitondrana tsara tantana  no tanjona eto.

Raha ny Filoham-pirenena (PRM) mihitsy no manao ny tsy mety? Namaly  izany ny Vovonana Tsimialonjafy Miaro ny Soatoavina Repoblikana. “ Ny fiandrasana ny fifidianana no tokony atao fa tsy ny firosoana amin’ny fanakorontanana”, hoy i  Olivier  Landry RABE, mpanohana ny fitondrana. Ny famporisihana ny Filoham-pirenena hanadio ny manodidina azy  hatrany asesiky VTSR satria mandala ny fifandimbiasam-pahefana ny vovonana.  Na mpanohana na mpanohitra na afovoany  mivondrona ao amin’ny VTSR dia samy manohana fa tsy ilaina  firosoana amin’ny fanonganam-panjakana fa vao maika mitondra korontana.

Mahatsapa fa hanjakany ny  kolikoly io  fitondrana  amin’izao fotoana izao io.  Milaza fa tokony hoesorina ireo manao ny tsy mety. “Efa manomboka manadio izany ny PRM”. Fa raha izy kosa no manao ny tsy mety   dia   ny fifidianana  ihany no afaka manaisotra azy  fa tsy ilaina ny fanonganam-panjakana fa miteraka korontana sy fahapotehana. Fa  tsy efa karazana fahapotehana ve fahantran’ny Malagasy amin’izao?

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *