Fomba fanao isan-taona ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo voka-pikarohana nataon’ireo mpianatra ao amin’ny ivom-pampianarana ambony ISPM. Tamin’ity andiany faha-24 ity, 400 mahery ny isan’ireo fikarohana. “Hetsika iray ahafahana mampivelatra ny sain’ny mpianatra sy ny fampiharana ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo fa indrindra hitarihana azy ireo sahady any amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika tahaka itony”, hoy ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
ISPM: Efa miasa avokoa ireo mpianatra nahazo ny Master, andiany kanto.
Efa samy misahana andraikitra amin’ny orinasa samihafa ny ankamaroan’ireo mpianatry ny ISPM, roan-jato isa nahazo ny diplaoma Master. Nisandrahaka tamin’ny lalam-piofanana dimy ambin’ny folo no « informatique et télécommunication, tourisme, agriculture et élevage droit, biothèque… » ity andiany Kanto ity. Nambaran’i Aimée RAZAFINDRAHETY, talen’ny fitantanana ny “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” ISPM Continuer la lecture
TAFIO IZY FA AZA ANGORAHANA.
Hiara hientana isika hanafy ireo sahirana amin’ny Alarobia 21 Jona 2017. Ny tsirairay no mahita ny olona hanaovany azy. Fitafiana ihany no atao fa tsy sakafo na vola, toy ny lamba, kiraro, bodofotsy… Continuer la lecture
INTERVIEW Georges Brichler
Georges Brichler, une grande figure humanitaire connue dans la capitale malgache, visite fréquemment le pays. Son dernier passage date de mai 2017 pour fêter ses 78 printemps avec ses protégés du Foyer du Cœur. Il reviendra en décembre pour honorer de sa présence l’inauguration du nouveau bâtiment d’Ambatolampy Tsimahafotsy, ainsi que les 11 années d’existence de Foyer du Cœur. Ce Lorrain Alsacien (au gabarit rainboot) vivant dans le Midi, au Sud de la France, a accordé une interview exclusive à Délire Madagascar. Continuer la lecture
VTSR: “Tsy marin-toerana ny fitondrana ankehitriny”.
Resy lahatra ny VTSR izany ivondronan’ny mpanao politika manohana sy manohitra ny fitondrana ary ny afovoany fa ahitana kolikoly avokoa ny ratsa-mangaikam-panjakana rehetra ka izany no mahatonga ny fitondram-panjakana tsy marin-toerana. Noho izany, mila esorina avokoa ireo manao ny tsy mety. Ny fanadiovana ny fitantanana ho fitondrana tsara tantana no tanjona eto. Continuer la lecture
VIMA: Mpiara-miasa akaiky amin’ny Masoivoho an’Etazonia.
Feno 150 taona ny fiarahamiasan’ i Madagasikara sy Etazonia. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 25 aprily 2017 ny fankalazana izany. Tao amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely no nanatanterahana ny lanonana ka anisany nanotrona izany ny orinasa Vision Madagascar (VIMA). Continuer la lecture
CNTEMAD: Manakaiky ny mpianatra any Birckaville sy ny manodidina.
Tsy tana-dehibe ihany no tokony ahitana ivon-toeram-pampianarana ambaratonga. Raha ny tokony ho izy aza dia tokony ho feno oniversite avokoa fa indrindra miankina amin’ny fanjakana ny distrika rehetra mandrakotra an’i Madagasikara. Amin’izay fotoana izany, tsy voatery mandeha an-kilometatra maro sy mandany vola be ny mpianatra iray raha mbola te hanohy ny fianarany amin’ny ambaratonga ambony. Continuer la lecture
VISION MADAGASCAR: Nampiofanin’ny sampandraharahan’ny mpamonjy hain-trano ireo mpiasa.
Anisany niharan’ny fahamaizana goavana ny tranombarotra lehibe teny Antanimena an’ny orinasa Vision Madagascar (Vima) nandritra ny 26 janoary 2009. Toerana 5.000 m² teo no lasibatra tamin’izany. Rehefa sedra loza tahaka izany ary hialana amin’ny fihitaran’ny afo, tokony handray anjara ny mpiara-belona fa tsy mitazam-potsiny. Continuer la lecture
FETY TENY AMBOHIMANAMBOLA : olona iray naratra, fiara telo voaroba.
Nampalahelo ny zava-nitranga omaly Alahady alina nandritra ny fety teny Ambohimanambola. Olona iray no voatsatok’antsy sy fiara telo no voaroba tamin’izany. Continuer la lecture
OMBAY MITADY FA TSY HITA NY NALEHANY.
Ombay mitady fa nanjavona ilay Malagasy iray nitsabo tena tany Morisy. Niala tao amin’ny Hopitaly « la Fortis Clinique Darné » ao Morisy i Claudine RAZAIMAMONJY. Efa nanao « décharge » izy ka tsy hita intsony ny nalehany ny tolak’andro teo. Continuer la lecture











