Socio-eco

ISPM: Efa miasa avokoa ireo mpianatra nahazo ny Master, andiany kanto.


Efa samy misahana andraikitra amin’ny orinasa samihafa ny ankamaroan’ireo mpianatry ny ISPM, roan-jato isa nahazo ny diplaoma Master. Nisandrahaka tamin’ny lalam-piofanana dimy ambin’ny folo no « informatique et télécommunication, tourisme, agriculture et élevage droit, biothèque… » ity andiany Kanto ity. Nambaran’i Aimée RAZAFINDRAHETY, talen’ny fitantanana ny “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” ISPM fa tsy sarotra tamin’ireo mpianatra no nitady asa satria efa nandalo fianaran’asa. Tsy misakana ireo izay mbola te hampitombo ny traikefa anefa izany. “Ho an’ireo izay mbola te hanao “stage”, misokatra ho azy ireo ny varavaran’ny orinasa Manda S.A” hoy i Bakoly REHRIMANANA, Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa sady reny mpiahy ny andiany Kanto 2017. Notanterahina ny faha-08 ny volana jona 2017 ny lanonana ofisialy nizarana ny diplaoma Master an’izy ireo.

Ankoatra izay, hisy ny varavarana misokatra ampiratiana ireo zava-bitan’ny mpianatra amin’ny talata 13 Jona ka hatramin’ny sabotsy 17 jona izay atao eny amin’ny ISPM Antsobolo. Manantena ny ray aman-dreny, ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka mitady toeram-pianarana ambony hanohizana fianarana. Asaina manokana ihany koa ireo orinasa mitady mpiasa hitsidika izany.

Tao anatin’izay dimy ambiny roapolo taona nijoroana ny ISPM izany, injeniera 4000 mahery no efa nivoaka tao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *