Nibata ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana “kopikolé” 2017 ny kandida avy eto Antananarivo. Tamin’ireo kandida folo tafakatra tamin’ny dingana famaranana, nisalotra ny kopikolé 2017 i Miora, kopikolé Tahiry. Fivahinianana Budapest, renivohitry ny firenena Hongrie ny tenany. Loka avy amin’ny British School of Madagascar izy ity. Tsilira avy ao Toliara kosa no nahazo ny amboara tamin’ny fifaninana an-kira “découverte Madagascar”. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
EFOI MADAGASCAR: Hankalazaina any Toamasina ny faha-10 taona ny fikambanana.
« Hetsika telo sosona no hitranga ao amin’ny Toamasina ny 21 ka hatramin’ny 26 novambra 2017. Mandritra ny herinandro, handravaka ny araben’ny fahaleovantena an’ny kaominina ambonivohitra ny hetsika “AVI Lecthis”, ny “salon de savoir-faire féminin” na hetsika ho an’ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mpandraharaha ary fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ranomasimbe Indiana eto Madagasikara (EFOI Madagascar). Continuer la lecture
SAKAFO AZO ANTOKA: Misoroka ny fanapoizinana ara-tsakafo.
Ho ampahafantarina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina androany 18 novambra 2017 ny momba ny sakafo azo antoka sy ara-pahasalamana. Trano heva isan-karazany hanampy ny mpitsidika hahalala ny fenitra takiana manomboka amin’ny fitehirizana, ny fanodinana ny vokatra ho lasa sakafo… Tanjona eto ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Continuer la lecture
ARETINA AVY AMIN’NY SAKAFO: Fitsirihana maimaim-poana mandritra ny roa andro.
Manana fotoana ahafahana mizaha ny fahasalamany momba ny aretina azo avy amin’ny sakafo ny mpitsidika ny hetsika natokana ho an’ny androm- pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Ny zoma 17 sy ny sabotsy 18 novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena Mahamasina no hanaovana izany miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Continuer la lecture
Mondial Pétanque –Dames : Nos boulistes terminent Vice-championnes du Monde
Nos boulistes, catégories Dames, composées de Mirana, Hasina, Tita et Cicine, engagées dans le championnat du monde de pétanque qui s’est déroulé en Chine dernièrement, n’ont pas mieux faire que nos Juniors sacrés champions du monde. Continuer la lecture
Analamahitsy : Un Karana blessé par balles…
Un ressortissant indo-pakistanais (Karàna) dans sa voiture et en plein embouteillage sur la route Ambatobe –Analamahitsy a été victime d’une attaque à mains armées perpétrée par deux bandits cagoulés sur une moto. Continuer la lecture
Vol de dossiers au tribunal d’Anosy : Version de la Greffe du Tribunal
L’information a fait les unes des quotidiens, hier. En effet, des dossiers sensibles auraient été volés au Tribunal d’Anosy par un avocat et un fils d’un politicien au BC. L’on a même parlé du dossier concernant Marc Ravalomanana… Continuer la lecture
MPAHAY MPANDREFY TANY : Tsy mahasahana an’i Madagasikara.
Niampy 25 indray ireo mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara. Nanatanteraka fianianana izy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny 13 Novambra 2017 lasa teo. Na nisy aza ireo mpahay mpandrefy tany vaovao ireo, tsy mahasahana an’i Madagasikara . Tafiditra amin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana sy fanavaozana ny sehatry ny fananantany amin’ny fampitomboana ny isan’izy ireo ny tahaka izao. Tanjon’ny fanjakana amin’izany ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny.
Mpahay mpandrefy tany 300.
Miezaka ny holafitry ny mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara ( OGEM ) mampitombo ny isan’izy ireo. Miisa 190 ireo voasoratra ao amin’ny holafitra izay vitsy raha miohatra ny velaran-tany izay sahaniny. Noho izany, miantso ireo injienera tsy mbola miasa amin’izany sehatra izany ny filohan’ny OGEM, Lucien Ranaivoarisoa fa ilain’ny firenena. Miisa 300 eo ho eo izy ireo. Misy mihitsy any Afrika. Tsy fantatra ny antony mahatonga azy ireo tsy miditra amin’ny sehatry ny fandrefesan-tany. Malalaka noho izany ny asa fandrefesan-tany ho an’ny tanora.
Mandrefy tany ambony latabatra.
Misy amin’ireo mpahay mpandrefy tany no tsy midina eny an-toerana na maniraka ny mpanampy azy fotsiny . Andraikitry ny OGEM ny manadio sy ny fanaraha-maso ireo manao antsirambina ny asany . Anisan’izany ireo mpahay mpandrefy tany ambony latabatra ireo.
Nirina R.
4 G ORANGE : Hiroborobo hatrany sehatry fambolena.
Anisany faritra mamatsy ny vokatry ny fambolena an’i Madagasikara i Antsirabe. Hanampy betsaka ireo mpandraharaha amin’ity sehatry ity noho izany ny fahatongavan’ny “réseau 4 G” an’ny orinasa Orange. Varavarana ahafahana manaparitaka ny vokatra na eto amin’ny tsena anatiny na any ivelany ny fampiasana aterneto haingam-pandeha. “Mampivoatra ny fandraharahana amin’ny lafiny fambolena ny fampiarahana izany amin’ny teknolojia vaovao”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel Degland. Continuer la lecture
TOKONY AVERINA AMIN’NY FANJAKANA NY TANY…
Olana goavana ny fananan-tany eto Madagasikara ary tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Na dia efa misy aza ny volavolan-dalana tonga eny amin’ny antenimierampirenena izay efa kian’ny fiarahamonim-pirenena sahady ireo andininy sasan-tsasany. Continuer la lecture








