Auteur R Nirina


GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.


Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny  lahatsoratra   miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny  seha-panjakana  isan-tsokajiny ny  fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty  ny TRANDRAKA 02. Continuer la lecture


FAPBM: Faritra arovana 31 nahazo famatsiam-bola.


Vola mitentina 6 miliara Ariary nomen’ny FAPBM hanamafisana ny fiarovana ireo faritra arovana eto Madagasikara. Hahazo tombontsoa amin’izany ny 31 amin’ireo 123.  Fanampiana maharitra ity ataon’ny FAPBM, manampy ara-bola ho an’ny faritra arovana sy ny zava-boahary eto Madagasikara ity satria misy famatsiam-bola foana isan-taona noho ny zana-bola azo avy amin’ny petra-bola atao any amin’ireo banky any ivelany. Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Niteraka fahombiazana ny fahamaroan’ny mpanohana.


Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona an’ny  atletisma ny Marathon International de Tana (MIT). Nampiray ireo atleta avy amin’ny firenena isan-karazany. Nahazo  tombony  tamin’ny andiany faha-17 ny atleta Malagasy. Nitana ny laharana telo voalohany ny Malagasy tamin’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana  42.195 km ho an’ny sokajy lehilahy.  Nisaotra ny mpanohana ny hetsika rehetra ny World Trade Center Tana (WTCT). Continuer la lecture