Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Tolotra maro samihafa natokana ho an’ny fety.


Trano heva 380 mivarotra ireo karazana entana ilaina amin’izao an-katoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahatena Mahamasina.  “Mitsinjara sehatra 40  ireo trano heva ireo. Ahitana entana toy ny akanjo, kiraro, kilalao ho an’ny ankizy, haingo trano, sakafo …. Ny “Grande Braderie de Madagascar” na GBM andiany fahefatra amin’ity taona 2017”, hoy i Hery RANDRIANASOLO, mpikarakara.

Filamatra tokana ho an’ny hetsika ara-barotra karakarain’ny Mada Vision ny fihenam-bidy manomboka amin’ny 15% no mihoatra. Nambaran’ny mpikarakara fa anisan’ny antony misarika ny mpitsidika io fihenam-bidy io.

 Ny alahady 24 desambra 2017 no hifarana ny hetsika. 60.000 ny mpitsidika handrasan’ny mpikarakara.

Marihina fa  misy vavahady fidirana roa mandritra ny GBM. Avy any amin’ny “Gerb’or”  ny iray, “Bazar du quartier” ny faharoa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *