Socio-eco

GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.


Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny  lahatsoratra   miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny  seha-panjakana  isan-tsokajiny ny  fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty  ny TRANDRAKA 02. Nozaraina tamin’io fotoana io ihany koa ny mari-pankasitrahana  an’ireo mpanao gazety nahavita fiofanana. Anisany nahazo izany sy  nanao fanadihadiana lalina ny mpanao gazety  ny De Lire Madagascar (www.deliremadagascar.com), Nirina RAKOTOMIARINTSOA.

Mbola hitohy amin’ny taona 2018 ny fampiofanana ireo mpanao gazety hahay hifehy ny fanadihadiana lalina. Hifantoka amin’ny fanjakana tsara tantana sy zon’olombelona indray ny lohahevitra amin’ny andiany fahatelo sy fahefatra.

Fiarahamiasan’ny UNESCO amin’ny  holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) sy ny Ministeran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana (MCRI) ity tetikasa ity.   Mamatsy vola ny tetikasa IDIRC ny  « Fonds pour la Consolidation de la Paix ». Mba ho orinasan-tseratsera manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana handray ny andraikiny manoloana ny fomba  fanao tsy mendrika ataon’ny tomponandraikim-panjakana sasantsany sy ireo manodidina azy ka mambotry firenena no tanjon’ny tetikasa.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *