Web doc

KAOMININA IVATO: Niditra tamin’ny kitapom-bola ny 70 % ny teti-bola 2017.


800.000 Ariary ka hatramin’ny 1.500.000 Ariary  isan’andro ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina Ivato. Ankoatra ny fampandehanan-draharaha an’ny kaominina amin’ny ankapobeny toy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, fividianana fitaovana ilaina eny amin’ny biraon’ny kaominina, miverina amin’ny vahoaka ny vola naloany. Ny 15%-n’ny teti-bolan’ny kaominina taona 2017, nanamboarana foto-drafitrasa toy ny EPP, CSBII, lalan-kely, lalana…“Roa miliara sy 531 tapitrisa Ariary ny totalin’ny teti-bolan’ny kaominina, taona 2017 izay nolaniana nandritra  fivorian’ny filan-kevitra kaominaly ny volana aogositra 2016”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny kaominina Ivato, Rivo RABEHARIVELO. Raha ny vinavina tamin’izany, ny iray miliara sy 975 tapitrisa Ariary natokana ho an’ny fampandehanan-draharaha, ny 580 tapitrisa Ariary kosa nanamboarana foto-drafitra asa.

Rivo RABEHARIVELO

Rivo RABEHARIVELO ( SG )


Tsy tapaka karama

Manitra ANDRIANJAKARIVONY

Manitra ANDRIANJAKARIVONY ( Ben’ny Tanana Lefitra voalohany )

Loharanom-bolan’ny kaominina madiodio ny 90 % mampandeha ny kaominina Ivato. Ampy handoavana ny  karaman’ny mpiasa ny vola ampidirin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra toy  ny hetra tany, fanorenana trano (premis de construire), haba tsena sy fikarakarana taratasy eny amin’ny biraon’ny kaominina toy ny vola aloa amin’ny fangalana fanamarinam-pahaterahana, kopia…Nambaran’ny  Ben’ny Tanana Lefitra voalohany, Manitra ANDRIANJAKARIVONY fa mampiasa olona 300 ny kaominina. Nanampy fanazavana momba ny karaman’izy ireo  ny Sekretera Jeneralin’ny kaominina. “manodidina ny 300 tapitrisa Ariary eo ny fitambaran’ny karaman’ny mpiasa eto anivon’ny kaominina ary tsy mbola nisy ny fahataran’ny fandoavan-karama tao anatin’ny roa taona nitantanan’ny Ben’ny Tanana ny kaominina Ivato, Penjy RANDRIANARISOA”, hoy izy.

 

« 20 km ny fitambaran’ny lalana vita rari-vato na “beton” »

Mihaino ny vahoaka

Rafetina ho tetikasa ny fidinana ifotony ataon’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany. “Miainga amin’ny hetahetan’ny vahoaka eto amin’ny kaominina Ivato ny tetikasan’ny Ben’ny Tanana”, hoy ny Ben’ny Tanana Lefitra voalohany.  Ho an’ny taona 2017, laharam-pamehana ny fanamboarana ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ao amin’ny fokontany Tanambao. 40 tapitrisa  Ariary ny teti-bola ilaina amin’izany. Ny volana novambra 2017 no natao ny ady fototra. “Isam-bolana ny kaominina manamboatra lalana. Ankehitriny efa manodidina ny 20 km ny fitambaran’ny lalana vita rari-vato na “beton”, hoy ny Ben’ny Tanana. Notokanana tamin’ny volana septambra 2017 ny lalana sy lalan-kely mirefy 10 km. Tetikasa nanamarika ny  taona 2017 ny kaominina ihany koa ny  famitana ny tranom-pokonolona Ankadidravola sy ao Mandrosoa.

« Fanatanterahana ireo fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka »


Tamberinandraikitra

Maxime MBOLA

Maxime MBOLA ( Tompondraikitry ny fitantanam-bola )

Niteraka fahatokisana ny vahoaka ny tamberinandraikitra nataon’ny kaominina. Miverina amin’izy ireo ny hetra naloany. Hany ka nitombo 61% taham-pahavitrihan’ny mponina nandoa hetra tamin’ity taona 2017 ity. Mbola ampandrafetana ny kaontim-bola niditra (compte administratif) tamin’ny kaominina ny taona 2017 kosa ny tompondraikitry ny fitantanam-bola ao amin’ny kaominina, Maxime MBOLA. Araka ny tarehimarika nomeny, iray miliara sy 322 tapitrisa Ariary ny vola niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina Ivato ny taona 2016. Nanamboarana ny EPP Ilaivola ny 55 tapitrisa tamin’io vola io. Nalaina tao amin’ny kitapom-bola ihany koa ny 290 tapitrisa namitana ny CSBII Ambodirano.

 

 

« Nitombo 61% taham-pahavitrihan’ny mponina nandoa hetra tamin’ity taona 2017 ity »

BUDJET 3

« Iray miliara sy 322 tapitrisa Ariary ny vola niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina Ivato ny taona 2016 »

« Fanamboaran-dalana »


Mangarahara

Penjy RANDRIANARISOA ( Ben’ny Tanana Ivato )

Penjy RANDRIANARISOA ( Ben’ny Tanana Ivato )

“Miainga amin’ny mangarahara ny fomba fiasa eto amin’ny kaominina Ivato. Mitondra any amin’ny fahombiazana izany”, hoy ny Ben’ny Tanana. Sahy mirehareha ny kaominina fa mangarahara tanteraka ny fitantanam-bola. “Tsy misy vola mivoaka izany raha tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny Ben’ny Tanana. Mahazo taratasy voasonia avy any aminy vao mamoaka vola izahay”, hoy Ramatoa mpitam-bola, Sabine RAHANTAMALALA. Ho fanamorana ny fanarahamaso ny vola mivoaka, raketina ao anatin’ny boky mirakitra ny vola mivoaka ny anarana feno, ny laharan’ny karapanondro ny mpaka ny vola ary manao sonia izany izy. Paingorina miaraka amin’ny takelaka nanoratana ny antontan-taratasy milaza ny antony namoahana vola.

Horonan-tsary

« Miainga amin’ny mangarahara… »

« raketina ao anatin’ny boky… »

« Mitohy ny fanamboaran-dalana… »


Ady amin’ny kolikoly

Rivo RABEHARIVELO

Rivo RABEHARIVELO ( sekretera jeneraly )

Kaominina fitaratra amin’ny ady amin’ny kolikoly ny kaominina Ivato. “Misoroka ny fanaovana tsolotra ny fisian’ny fandoavam-bola tokana ( caisse unique). Io sampandraharaha io ihany no mandray ny vola tokony aloa amin’ny fikarakarana taratasy rehetra eto amin’ny kaominina”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny kaominina. Rehefa hangataka fahazoan-dalana hanorina trano (permis de construire) ny olona iray, tsy afaka mandray vola mihitsy ny mpandray vola raha tsy mahazo taratasy milaza fa afaka mandoa vola (bon à payer). Mandinika ny antontan-taratasy ny eo anivon’ny “service technique”, alefa any amin’ny sekretera jeneraly (SG) avy eo. Mandoa vola amin’izay mpangataka. Averina jeren’ny SG izany miaraka amin’ny “quittance”. Aorian’ izay vao manasonia ny taratasy fahazoan-dalana hanorina trano ny Ben’ny Tanana. Tsy misy fandoavam-bola afa-tsy eo amin’ny “caisse” ihany. Ankoatra izany, efa misy tomponandraikitra manoro ny birao tokony ho aleha vao migadona eo an-tokontanin’ny kaominina ny olona iray. “Ho fisorohana ny fahatahorana fidirana birao izay misarika ny olona hanao kolikoly avokoa no anton’izany”, hoy ny Ben’ny Tanana Lefitra voalohany.

Ampy ny enti-manana raha ho an’ny kaominina Ivato no resahina. Na dia efa andraikitry ny distrika aza ny manome karama ny sefo fokontany, manampy ara-bola ny sefo fokontany ao aminy ny kaominina Ivato. “In-dimy avo heny ny vola omen’ny distrika ny anjara atolotry ny kaominina an’ireo sefo fokontany enina”, hoy ny Ben’ny tanana lefitra.

Manitra ANDRIANJAKARIVONY

Manitra ANDRIANJAKARIVONY ( Ben’ny Tanana Lefitra voalohany )

Manana antony manokana ny kaominina matoa manampy azy ireo. Nilaza izy fa manampy ny kaominina amin’ny fandaminan-draharaha ny sefo fokontany ka tokony hampiana. Ohatra amin’izany fanisam-bahoaka, fampitana hafatra amin’ny vahoaka, ny resaka fanadiovana tanana…Tafiditra ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina, sokajy fampandehanan-dra

haraha ny fandoavana vola fanampiana ireo sefo fokontany. Tsikaritra tamin’ny teti-bola 2017 anefa fa mavesa-danja kokoa ny vola ilain’ny kaominina amin’ny fampandehanan-raharaha noho ny fanamboarana foto-drafitra asa.

Horonan-tsary

« Kaominina fitaratra amin’ny ady amin’ny kolikoly »

« In-dimy avo heny ny vola omen’ny distrika ny anjara atolotry ny kaominina an’ireo sefo fokontany enina »

« Santionan’ireo fotodrafitrasa namboarina »

1- Tabilao mirakitra ny vola niditra sy santionany ny vola nivoaka tamin’ny kaominina Ivato ny taona 2016 (Ariary):

Loharanom-baovao : Sampandraharaha ny fitantanam-bola

2- Tabilao mirakitra ny tetibolan’ny kaominina Ivato 2017 (Ariary):

Loharanom-baovao : Sampandraharaha ny fitantanam-bola

Fanadihadiana

Lynda A. / Nirina R.


One comment on “KAOMININA IVATO: Niditra tamin’ny kitapom-bola ny 70 % ny teti-bola 2017.

  1. Pingback: TRANSPARENCY INTERNATIONAL : Nandrombaka loka ny ekipan’ny Olondia | déliremadagascar

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *