Nandrombaka ny « Coup de Cœur ô Féminin 2017 » Rasoa. Vehivavy 15 mipetraka any Frantsa, Cameroun, Côte d’Ivoire sy avy eto Madagasikara samy nahazo « bourse » ka anisany voafidy tamin’izany Rasoa, renim-pianakaviana miaina ao anatin’ny fahasembanana, mipetraka any Antsohihy. Fanampiana ara-bola mitentina 4000 Euros no azony.
Entiny hanatanterahany ny tetikasany hananganana orinasa fanamboarana savony artisanaly sy ny nofinofiny ary hitsinjovany ny ho aviny ny zanany roa io fanomezana io. « Manana nofinofy ary mahatoky ireo vehivavy 15 ireo izahay fa vonona ny hioatra amin’ny fiainana izy ireo rehefa tohana amin’ny fomba rehetra. Hanampy azy ireo hanatanterahany ny tetikasany ny « bourse » izay omena azy ireo », hoy ny Sekretera jeneralin’ny « Fondation Orange », Brigitte Audy.
Nisitraka ny tetikasa « Maisons digitales pour les Femmes » an’ny Fondation Orange Rasoa. Nianatra momba fampiasana ny fitaovana nomerika sy ny rindram-baiko fototra (logiciels de base) ny tenany. Nambaran’ny Filohan’ny « Orange Solidarité Madagascar », Josie RANDRIAMBELOMA nandritra ny fizarana ny loka tany Antsohihy fa tanjon’ny tetikasa ny fampidirana ny vehivavy amin’ny sehatry matihanina amin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo ny fikirakirana ny fitaovana nomerika.
Nirina R.