Tonga nanotrona ny fitsangatsanganan’ny mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny amin’ny kaominina Ivato ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA. Hentitra ny teniny nandritra ny kabary nataony. “Mila manaraka ny fitsipiky antoko ny mpikambana”, hoy izy. Nanao tatitra ny asa vitany tamin’ity taona ity tamin’ny Filoha Nasionalin’ny TIM sy ireo delegasiona nanaraka azy ary ny vahoaka nandeha tamin’ny fitsangatsanganana tamin’ny sabotsy 16 desambra 2017 teo ny Ben’ny Tanana ny kaominina Ivato, Penjy RANDIRANARISOA, izay avy ao amin’ny antoko TIM ihany.
Nambaran’ny Ben’ny Tanana fa lalana mirefy 20 km no vitan’ny kaominina “ beton” amin’izao fotoana izao. Niampy efitrano sekoly ho an’ny mpianatra ambaratonga fototra (EPP) roa sy tobim-pahasalamana ho an’ny daholobe (CSBII) ny foto-drafitr’asa nataon’ny kaominina. Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny kaominina. Hanamboarana ny tsena amin’ny kaominina Ivato izany.
Mandeha ny feo fa misababaka ny Ben’ny Tanana satria miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana izay mivondrona ao amin’ny antoko HVM. Nilaza ny Ben’ny Tanana fa hisintonana ny olona avy ivelany amin’ny alalan’ny asa vita vita no andraikiny fa tsy ho ny tenany velively no voasintona ho an’ny amin’ny antoko politika hafa.
Nirina R.