Catégorie Actus



ASAN-DAHALO: Mihainohaino fotsiny ny fitondram-panjakana.


Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Betsipolotra, distrika Miandrivazo. Miharipaky ny daholo ny hany mba sisa fananan’izy ireo. Omby 1400 lasan’ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana 50 isa, ny talata 12 sy alarobia 13 Septambra 2017. Nanara-dia azy ireo ny solon-tenan’ireo tompon’omby izay manodidina ny roapolo ka tamin’izany no nahafantarana fa natoby tao Manandaza, lemaka akaikin’i Itondy, distrika Miandrivazo ireo omby halatra ireo. Continuer la lecture


FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA: “Fanitsiana no atao fa tsy fanovana lalam-panorenana”.


Mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jery sy gazety ary mpikirakira aterneto avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra manodidina zato no niaraka nitafa tamin’ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny 16 septambra 2017, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Saika voasolo tena avokoa na orinasa an-gazety mpanohana na mpanohitra ny fitondrana nandritra ny fihaonana mivantana tamin’ny Filohan’ny Repoblika ity. Continuer la lecture


Anosivavaka Ambohimanarina 1929 : Nilatsahan’ny Fanahy Masina


“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (II Tim 1, 8a). Izany fampirisihin’ny Apostoly Paoly an’i Pastora Timoty zanany izany no Teny fanevan’ny faha-88 taona nandresena ny sampin’Andriambodolova tetsy Anosisoa Ambohimanarina. Nivoaka pagina voalohan’ny gazety Diavolana sy gazety an-tsoratra hafa tamy ny 8 septambira 1929 tokoa ny lohateny vaventy hoe: “Ampiady andriamanitra Iombonimanana sy ny Kristiana”. Mpisoron-tsampin’Andriambodolova Iombonimanana, na Ramiaramanana”.

Continuer la lecture


ISPM: Mahaliana ny mpianatra ny lalam-piofanana momba ny serasera sy ny fifandraisan-davitra.


Ao anatin’ny fitadiavana ny oniversite mifandraika amin’ny  lalam-piofanana hanohizana ny fianarana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  farany teo. Betsaka ireo mpianatra no liana amin’ny lalam-piofanana momba ny fifandraisan-davitra sy ny serasera. Anisany lalam-piofanana be mpanontany indrindra teo amin’ny trano heva nisy ny Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar (ISPM) izy ity. Nambaran’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola an’ny ISPM,  Aimée RAZAFINDRAHETY fa mirona  kokoa amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Continuer la lecture


Toilettage du gouvernement : Du neuf avec du vieux !


Alors que d’aucuns s’attendaient à un véritable remaniement où les incapables ou ceux qui n’ont aucunement l’intention de démissionner seront limogés, l’on a constaté lors du conseil des ministres de la semaine dernière qu’il a été plutôt question d’un simple toilettage du gouvernement Solonandrasana par le président de la République, puisque les partants iront occuper d’autres postes importants tant à l’extérieur qu’à l’intérieur, comme l’a bien souligné le Secrétaire général de la Présidence lors de la lecture du décret de nomination des nouveaux ministres.

Continuer la lecture