Socio-eco

Fivarotana ny tany « VILLA ELIZABETH » : Andian’olona sy fahefam-panjakana no mahavita izany


Efa ela (taona 2007 tany ho any) ny Pr zafy no niresaka tamin’ireo olona akaiky azy fa misy nitsiriritra io Villa Elizabeth io. Zarain’ity raiamandreny ity amin’ny « olona atokisany » ny ahiahiny :  » Misy olona niditra tao amin’ny  Villa, hoy izy,  ka namaritra tany  ary mitonona ho mpiasan’ny fananantany  ireo olona ireo,  tsy fantatro akory sady tsy nampandrenesina aho tompontrano fa ohatran’ny an-tery no nanaovana izany, hoy ny fitantarany.

Niantso mpanao gazety (misy namana mbola mahatsiaro izany) ny Pr Zafy tamin’izany nanazavany ny toe-javatra ka voasakana hatreo satria teo an-tokontan’ny Villa mihitsy no nanaovan’ny Prof izany izay nanamarika ny fisian’ny tsatoka vitsivitsy sy ny fanazavan’ny mpiambina tanàna tamin’izany.

Tsy mifanalavitra amin’izay no zava-niseho raha ny taratasy misehoseho etsy sy eroa ho tohin’ny fitsiriritana ihany io. Saingy na avy amin’iza na iza no nanaiky ny hivarotana io toerana io dia tena tsy am-piheverana no nanaovana izany. Zon’ny Filoha Zafy ny fananana io trano io honenany amin’ny maha Filoha azy teo aloha tahaka ny mbola fahazoany mpiambina miaramila. Tsy mitovy amin’ny olontsotra izy iny. Mbola velona sy teo soamantsara izany izy no nisy nivarotra ny tanàna.

Tsy olona iray, fa andian’olona maro no tsy maintsy nahalala ny varotra natao, anisany ohatra izay tompompahefana tamin’ny fotoan’andro, toy ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny sampandraharahan’ny fananantany, ny mpiandraikitra ny tranompanjakana ao amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola,  ny sampandraharahan’ny hetra nanaovana enregistrement, ny minisitry ny fitantanam-bola izay misy sampandraharaha vitsivitsy ambany fiadidiany, sy ny maro hafa.

Azon’ny fanjakana atao no mandrava iny fifampivarotana iny na maka fanapahankevitra manokana, ary efa nilaza izany rahateo ny tompon’andraikim-panjakana ankehitriny. Azony atao ny mamerina amin’ny laoniny ireo fananampanjakana rehetra mitovy sokajy amin’io Villa Elizabeth io. Tsiahivina fotsiny fa efa nisy fotoana nalain’ny fanjakana nampiasan’ny chaine penale ny tranon-dRatsiraka teny Faravohitra , fa avy eo  naverina taminy. Saino lalina ihany!


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *