Socio-eco

MAHAJANGA : Hanatsara ny kalitaon’ny fandraharahana ny « réseau 4G ».


Manampy ny mpandraharaha hampiroboroboana ny sehatra iasany ny fampiasana ny vokatry ny teknolojia. Anisan’izany ny aterneto haingam-pandeha izay manatsara ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny tsena anatiny. Eo ihany koa ny fisokafana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manoloana izany, manakaiky hatrany ny mpiantsehatra amin’ny resaka fandraharahana ao Mahajanga ny Orange Madagasikara.

Nambaran’ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Ambonivohitry Mahajanga, Mokhtar Salim ANDRIANTOMANGA,  nandritra ny fampahafantarana ny « réseau 4G » ny Orange tany an-toerana fa manamora ny asam-panjakana  ny fisian’ny teknolojia. Manaporofo izany ny fandoavana ny haba tsena  amin’ny alalan’ny finday. Nanamafy izany fiarahamiasa izany ny kaominina sy ny Orange. Ankoatra ny fametrahana « connexion internet » ao amin’ny biraon’ny kaominina, hiparitaka manerana ny faritra Mahajanga  ny aterneto haingam-pandeha  4G an’ny Orange.

Fizahan-tany

Mampiavaka  an’i Mahajanga ny tontolon’ny fizahan-tany.  Hahazo tombony amin’ny fampiasana ny 4G an’ny Orange ireo mpandraharaha miasa amin’izany. “Ho mora amin’izy ireo ny mifandray amin’ny mpanjifa sy ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana fa indrindra any ivelany”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel DEGLAND.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *