Socio-eco

TOETRY NY ANDRO: Handrahona mety arahina erika ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany.


Handrafitra ny toetry ny andro mandritra ny herinandro ny Alizay malefaka na antonony tsy marin-toerana. Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra saika manerana ny Nosy. Hanorana malefaka na matevina ny morontsiraka atsinanana. Handrahona mety arahina erika ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany. Hanorana tandrifindrahona any Sambirano fa mety arahina kotroka izany amin’ny faritra Melaky, Boeny ary ny ilany andrefan’ny ati-tany. Hibaliaka ny masoandro amin’ny faritra sisa. Hisy fiakarany ny maripana amin’ny tapany atsimo fa hidina izany amin’ny fiafaran’ny herinandro. Hisy fidinany kosa amin’ny morontsiraka Atsinanana (ankoatry ny faritra Diana sy Sava) ary ny afovoan-tany ato anatin’ny telo andro ho avy, araka ny tombana avy ao amin’ny sampana famantarana ny toetry ny andro ny 30 oktobra ka hatramin’ny 05 Novambra 2017.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *