Socio-eco

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA: Miantoka ny fahasalamana ny sakafo azo antoka


“Ho dorana avokoa ireo karazan-tsakafo miditra eto Madagasikara tsy manaraka ny fenitry  ny fahasalamana”.  Nambaran’ny Tale misahana ny  fitsirihana  ny antoka ara- pahasalamana  sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA  fa ho giazana ireo  entana rehetra varotana eny an-tsena ka  tsy nandalo fitsirihana ara-pahasalamana mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo.

Sakafo azo antoka

Miantoka ny fahasalaman’ny vatana ny fihinanana sakafo azo antoka sy ara-pahasalamana.  Miompana amin’izany indrindra ny androm-pirenena  ho fampiroboroboana ny  sakafo azo antoka sy tsara kalitao, andiany faharoa. Ho tanterahina ny  17 sy ny 18  Novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina  ity hetsika ity.

Hanome aina  ny hetsika ireo mpiantsehatra manodidina ny sakafo  miisa 45. Ankoatra ny fivarotana sakafo manaraka ny fenitra sy ny lalana ary ny fitsipika tokony arahina amin’ny fikirakirana sakafo, hisy ny fitiliana diabeta, tosi-dra ary fahatavezana  maimaim-poana mandritra ny roa andro.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *