Alors que d’aucuns s’attendaient à un véritable remaniement où les incapables ou ceux qui n’ont aucunement l’intention de démissionner seront limogés, l’on a constaté lors du conseil des ministres de la semaine dernière qu’il a été plutôt question d’un simple toilettage du gouvernement Solonandrasana par le président de la République, puisque les partants iront occuper d’autres postes importants tant à l’extérieur qu’à l’intérieur, comme l’a bien souligné le Secrétaire général de la Présidence lors de la lecture du décret de nomination des nouveaux ministres.
Catégorie Actus
Mpikambana ao amin’ny FFM : Anisan’izany Razaka Oliva
50% no Mpanao gazety tafita tamin’ny fifantenana izay ho mpikambana amin’ny CFM. Ny zokiolona Latimer Rangers faritra Androy, ny tanoranora Maka Alphonse faritra Anosy, ny nahazohazo taona Razaka Oliva,fantatry ny besinimaro hoe Rabevolombava, faritra Analamanga. Enina mianadahy no nirotsaka.
MIFANARAHA ISIKA MALAGASY…
Efa manomana fifidianana ho filoham-pirenena ireo kandidà mieritreritra ny andray an-jara amin’izany fifidianana izany. Nisy mihitsy ny efa nanambara ny hilatsahany am-pahibe maso. Ny hafa kosa na mbola tsy miteny aza, efa miseho vahoaka sy miezaka hamory vahoaka. Continuer la lecture
BRIGADE CRIMINELLE: Tratra ireo mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.
Nanao fidinana tampoka teny Analakely nataon’ny Polisy misahana ny fikarohana, telo mianadahy no tra-tehaka. Vehivavy mpitantana orinasa misahana manokana momba ny finday ny iray ary lehilahy tompona “Kiosque” sy mpanampy azy kosa ny roa hafa. Continuer la lecture
SYMBION POWER: Noho ny fanarenana, mamokatra herinaratra 40MW ny ao Mandroseza
Raha 02 MW fotsiny ny herinaratra vokarin’ny milina mpamokatra herinaratra ao amin’ny foibem-pamokarana angovo Mandroseza, niakatra 40 MW izany ankehitriny. Noho ny fiaraha-miasan’ny fanjakana tamin’ny orinasa SYMBION Power, nohavaozina ireo milina efatra simba. Continuer la lecture
AIR MADAGASCAR : Un retour à l’équilibre de la compagnie nationale.
La date butoir de la mise en place des éléments financiers, matériels pour la réalisation du partenariat stratégique entre la compagnie aériennes Air Madagascar et Air Austral serait en mois d’octobre. Le Président Directeur d’Air Austral, Marie Joseph Malé a rencontré le conseil d’administration d’Air Madagascar et son comité d’entreprise pour présenter son plan business stratégique. Continuer la lecture
ISPM: Manampy amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana.
Varavarana hidirana amin’ny sehatry ny ambaratonga ambony ny mari-pahaizana BAC. Nohamafisin’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY fa tsy ezaka farany ny fanadinana bakalorea. Ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny mpianatra tafita amin’io dingana io no antony nanaovana ny salon de l’ISPM, vita BAC. Continuer la lecture
WORLD TRADE CENTER: Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny MIT 2017.
Ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 oktobra 2017 no hanatontosana ny Marathon International de Tana (MIT) andiany faha-17. Efa misokatra ny fisoratana anarana. Afaka hanaovana izany avokoa na eny amin’ny biraon’ny VIMA Ankorondrano, ORTANA Antaninarenina, FMA Stade Alarobia. Nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center, Mercedes RATSIRAHONANA harotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny fikambanana AKAMASOA ny 20% ny vola azo avy amin’ny fisoratana anarana. Continuer la lecture
Vraie démocratie : Ravalomanana à l’Assemblée
La vraie démocratie doit se passer à travers un débat à l’Assemblée et non en place publique. Ainsi, la véritable place pour Ravalomanana est à Tsimbazaza et non dans la rue. C’est la surenchère du MFM après le débât du Don-dresaka qui a failli virer à la polémique entre les ténors du TIM et le sénateur Rakotovazaha Olivier, SG du MFM. Continuer la lecture
Fananan-tany
Manao ampihimamba ny « caisse commune » ny mpitantana.
Zon’ny mpiasa rehetra ao amin’ny « domaine » ny mahazo ny anjarany amin’ny « caisse commune » kanefa ataon’ireo tomponadraikitra ambony ampihimamba. Isaky ny roa na telo volana no hisitrahan’izy ireo izany.
Namaly ny fanontaniana napetraka taminy ny Minisitry ny fanajariana ny tany tamin’ny tetezamita, Hajo ANDRIANAINARIVELO.
Fanontaniana : Misy ve io « caisse commune », iza avy no tokony hisitraka izany ?
Hajo ANDRIANAINARIVELO : Eny, misy tokoa io « caisse commune » io saingy ny mampalahelo, ataon’ny tomponandraikitra ambony toy ny minisitra, tale jeneraly, « chef de service »…izany raha tokony ho ny mpiasa rehetra no hisitraka izany isaky ny roa na telo volana. Tamin’ny nitondrako io minisitera io, nozaraiko izany ho an’ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka kanefa kosa tsy mitovy ny raisin’ny tsirairay arakaraka ny andraikiny. Misy mandray 2.000.000 Ariary ka hatramin’ny 3.000.000 Ariary ny tale jeneraly, ny tale isan-karazany…
F : Inona no anton’io « caisse commune » io ary vola avy aiza no mirotsaka ao?
H : Antony izy io ny hanomezana fankasitrahana ireo mpiasa indrindra ihany koa mba hiadiana amin’ny kolikoly. Ny lalana mihitsy no nametraka io « caisse commune » io. Ampahan’ny vola azo amin’ireny alohan’ny olona mpikarakara tany ireny « transaction » io vola arotsaka ao io.Tokony ho afaka amin’ny am-pahany ny kolikoly ao amin’io sampan-draharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany io. Misy an’io « caisse commune » io avokoa manerana ny sampan-draharaha iray ity eto Madagasikara. Raha ny henoko anefa ankehitriny dia tsy zarain’ireo mpitantana ao indray io vola io .
F : Nijanona tamin’ny fisian’ny « caisse commune » ihany ve ny ady amin’ny kolikoly ?
H : Tsy mijanona amin’io ihany ny ady amin’ny kolikoly fa nisy ihany koa ny fanadiovana ny mpiasa. Nahitana olona maromaro manana birao kanefa tsy mpiasam-panjakana tao amin’io sampan-draharahan’ny fananantany sy fandrefesantany io. Miisa 20 teo izy ireo tao amin’ny « domaine » ary 30 ny tao amin’ny « topo ». Azo eritreretina ve ny fisian’ny mpiasa tsy raikitra ( benevol ) mandritra ny 4 taona ka tsy mandray karama? Kolikoly no dikan’izay. Marihako fa zanak’olona ambony lava tanana manao fivelomana ao ireo mpanera tao amin’ny biraon’ny fananantany sy ny fandrefesantany ireo. Ny mampalahelo ahy, ny filazana fa tsy ekipako ireo tamin’izany ka noesoriko. Amin’izao fotoana izao raha ny henoko, niverina ao ireo.