Socio-eco

Hetsika politika: Mampijaly ny mpivarotra anana


Mitaraina mafy ny tantsaha mpamboly sy ireo mpivarotra anana eny amin’ny tsenan’ny Namontana. “Nanomboka tamin’ny nisian’ny hetsika tarihin’ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovàna, eny amin’ny 13 mey , zara raha mahalafo gonin’anana izahay”, hoy ny mpivarotra anana irao ao Namontana. Raha tokony ho roa alina ariary ny gony iray amin’ny anana, lasa 5000 Ariary izany amin’izao fotoana izao satria nihena ny mpividy. Betsaka amin’ireo mpivarotra eny Analakely no maka entana ao amin’ny tsenan’ny Namontana. “Noho fitokonana misy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, nihena ny entana alain’ireo mpivarotra ireo satria matahotra korontana izy ireo. Mety hiteraka tsy fahalanian’ny entana izany korontana izany”.
Tsy ireo mpivarotra ihany no mitaraina amin’ny fitotonganan’ny vidin’anana fa ireo tantsaha mpamatsy anana ihany koa. Nidina be ny vidin’ny gonin’anana. “3000 Ariary no hanomezanay ny entana amin’ireo mpiantoka. Raha gony 10 no entinay, zara raha mahalafo gony telo ny mpiantoka”, hoy i mama Jeanne, tantsaha avy eny Ambohijafy. Loa sy simba ireo entana tsy lafo. Miteraka fatiantoka ho an’ny tantsaha na ny mpivarotra anana eny Namontana izany satria ariam-potsiny.
Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *