Socio-eco

SOMAPRO : Mitondra vahaolana amin’ny fahadiovana


Hizara loka 20 isanandro ho an’ny mpitsidika ny hetsika ara-barotra “Grande Braderie de Madagascar” na GBM ny SOMAPRO. Mpanohana ofisialy ny hetsika izy ireo. Hanome fanomezana ho an’ny reny rehetra ihany koa izy ireo manomboka ny 23 Mey 2018 ka hatramin’ny 27 Mey 2018, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Ny “impec” na “Carmen”, kojakoja ilaina amin’ny fanadiovana sy fidiovana”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny SOMAPRO, Rado RAKOTOMAHEFA. Vokatra vaovao betsaka no hita eny an-toerana. Anisan’izany ny “Impec” 1,1 litatra amin’ny vidiny mora. Ny “impec”, ranon-tsavony fanasana lovia na tanana… “Manakaiky ny mpanjifa hatrany ny vokatra vokarina ao aminay ka manome vahaolana amin’ny fahadiovana”. Eo ihany koa ny savoka, “Baume Tsara” ahitana karazany telo katrafay, ravintsara ary relax… Misy ihany koa ny “tombola” azahoana loka betsaka amin’ny fividianana “Baume tsara” manerana an’i Madagasikara. Efa nanomboka tamin’ny herinandro ambony iny izany ary ho hita eny amin’ny GBM ihany koa.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *