Socio-eco

MAMAFI: “Aza atao sorona ny fianaran’ny mpianatra”


Mitaraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana toy ny eny amin’ny EPP Tsaramasay amin’ny tsy fianaran’ny zanak’izy ireo. “Aza atao sorona ireo mpianatra”, hoy ramatoa Emelienne, reny manan-janaka mianatra amin’ny sekolim-panjakana. Manoloana ny famoahana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana (CEG, lisea) sy fitarihana azy ireo hanaraka ny hetsika ataon’ny “solombavambahoaka ho an’ny fanovàna”, manao antso avo ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba tsy atao fitaovana politika ny zanak’izy ireo.
Amin’ny maha mpiaro ny zon’ny ankizy ny fikambanana MAMAFI na Malagasy Mandray Andraikitra, nitondra ny tenin’ireo ray aman-dreny ihany koa ny fikambanana. “Miangavy izahay avelao hianatra ny ankizy fa aza ampidirina amin’ny resaka politika na dia misy aza ny tsy fitovian-kevitra”, hoy ny filohan’ny fikambanana. Misy amin’ireo ankizy no hiatrika fanadinana. “Mahatsiaro ho matiantoka ireo ankizy mianatra eny amin’ny sekolim-panjakana satria izy ireo foana no voakorontana. Vokatr’izany, tara ny famitàna ny fandaharam-pianarana”, hoy ny filoha lefitry ny MAMAFI.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *