Socio-eco

Grande Braderie: Nanomana fanomezana ny mpandray anjara


Amin’izao ankatoky ny fetin’ny reny izao, efa niomana amin’ireo karazana fanomezana tsara omena ho an’ny reny ny mpandray anjara amin’ny “Grande Braderie de Madagascar”. Hatramin’ny alahady 27 mey 2018 ho avy izao, misy fihenam-bidy manomboka amin’ny 15 % no miakatra amin’ireo karazana entana azo atao fanomezana toy ny akanjo, kiraro, voninkazo, kojakoja ao an-dakozia, ranomanitra… “Sarobidy ho an’ny Malagasy ny reny. Hatramin’ny nanombohan’ny hetsika ara-barotra tamin’ny alarobia 23 mey dia nihazakazaka ny olona hitady sy hividy fanomezana ho an’ny fetin’ny reny”, hoy ny mpikarakara ny hetsika avy ao amin’ny Mada Vision, Hery Randrianasolo.
Eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahina ny “Grande Braderie de Madagascar”, andiany faharoa amin’ity taona 2018 ity. Tsy ho an’ny fetin’ny reny ihany ny hetsika fa natao ho an’ny rehetra izay tia mividy entana hiaka farany. 280 ireo mpandray anjara. Antenain’ny mpikarakara fa ho avy hitsidika ny hetsika ireo 50.000 mpitsidika andrasana.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *