Mandroso ny teknolojia eto Madagasikara ary efa misehatra amin’izany ny Malagasy ankehitriny. Ankoatra ny serasera sosialy izay mahazo vahana eto, efa liana amin’ny fijerena ireny tranokalam-pifandraisana isan-karazany isika. Malaza ny fisandratana 2030 voizin’ny fitondrana ankehitriny. Nitsangana noho izany ny tranokala mifandraika amin’izany ka azon’ny olom-pirenena Malagasy rehetra manerana an’izao tontolo izao ny mitsidika ny www.fisandratana 2030.com . Izay rehetra momban’ ny fisandratana 2030, ho hita ao avokoa indrindra ny tetikasan’ny lavitra-hezaka filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Tsy vitan’ny soratra sy sary fa misy horon-tsary ihany koa ao anatiny.
Nirina R.