Socio-eco

FANISAM-BAHOAKA SY TOERAM-PONENANA: Ahafantarana ny filan’ny mponina


Iray dolara isaky ny olona ny teti-bola ampiasaina amin’ny fanisana ankapobeny ny mponina sy ny toeram-ponenana. 45.000 olona no nahazo fiofanana manokana hanao ny fanisana ny olona isan-tokantrano. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny omaly 24 mey 2018 fa manomboka ny fanisam-bahoaka sy ny trano fonenana. Ny taona 1993 ny fanisam-bahoaka farany. 25 taona aty aoriana vao nisy indray. Nambaran’ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena, Abdoullahi Beidou nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fanisana ankapobeny fa zava-dehibe ny fanisam-bahoaka satria ahafantarana ny filàn’ny mponina. “Politikan’ny fitsinjaram-pahefana ny fahafantarana ny isan’ny mponina isaky ny kaominina. Hanampy amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa toy ny sekoly ny fahafantarana ny isan’ny ankizy”, hoy ny Ministry ny toe-karena sy ny planina, Herilanto Raveloharison.
Isaina avokoa ny olona rehetra mipetraka eto Madagasikara na ireo mandalo fotsiny na ireo tsy manan-kialofana, na ireo marary eny amin’ny hopitaly… Araka ny fanazavan’ny Ministra Herilanto Raveloharison fa rehefa vita ny fanisana dia mbola misy dingana hafa hanatsarana ny hangom-baovao. Mety amin’ny taona 2019 any vao ho fantatra mazava ny fitambaran’ny mponina eto Madagasikara.
Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *