Catégorie Actus



ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Hizara mivantana ny fanomezany any amin’ny traboina.


Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboina. Manao antso avy amin’ny fitondram-panjakana ny ONG Ny Fanahy maha olona hanome alalana ny fiaramanidina hitondra ireo fanampiana ho an’ireo traboina vokatry tondra-drano. Nambaran’ny filohan’ny ONG, Ny Rado Rafalimanana ny 27 Janoary 2020 tamin’ny mpanao gazety fa iray andro aorian’ny faneken’ny fitondram-panjakana dia higadona eto Madagasikara io fiaramanidina io. Continuer la lecture


FEDERASIONAN’NY SEMPAMA ANTANANARIVO: Manahy ny tsy hahatanteraka ny veliranon’ny Prezidàn’ny Repoblika


« Manamarina ny valan-dresaka nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry  tamin’ny mpanao gazety ny tombana nataonay ». Nanao tombana ny toe-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ny federasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) sampana Antananarivo ka nampahafantariny tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety izany  ny 27 janoary 2020 teny Mahamasina. Continuer la lecture


FAMOTORANA NY RAHARAHA TANY ENY NANISANA: Tsy misy idiran’ny resaka politika


Zavatra roa samy hafa. Taorian’ny fitsirihana sy famotorana nataon’ny “direction de la police judiciaire” (DPJ) eo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena momba ny fitoriana napetraky ny ministeran’ny fambolena, manoloana ny fidirana antsokosoko tao amin’ny tanim-panjakana eny Nanisana dia olona folo no voatonotonona ho tompon’ny tany sy tompon’heloka. Continuer la lecture


STAR sy ny Consulat de Monaco : Manavao fiaraha-miasa


Ny taona 2015 no efa niara-niasa ny Star sy ny consulat de Monaco eto Madagasikara, izay manohana ireo ankizy sahirana maro ahafahana mandrato fianarana.

 Araka ny fanambaran’ny UNICEF dia 10% amin’ireo zaza 2 tapitrisa, telo hatramin’ny enin-taona, eto Madagasikara no tafiditra kilasy famolavolana ho an’ny daholobe. 75% ireo ankizy tafiditra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ary ny telo amin’ireo folo ihany no tonga eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Continuer la lecture


Noborahan-dRajoelina ny resaka : « Misy maisatra tarihana ny mpiara-miasa amiko »


Notanterahina teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha ny 20 Janoary 2020 ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’ireo mpanao gazety sy ireo tompon’ orinasan-tserasera izay notarihin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard.

Nandritra ity fifampiarahabana ity no nanamafisan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry fa manana lanjany manokana ny asa fanaovan-gazety noho ity asa ity mitondra fanabeazana eto amin’ny firenena. Na samy manana ny firehany aza ny haino aman-jery dia tsotra ny tanjona, ny mba hilaza ny vaovao marina. Continuer la lecture


GROUPE FILATEX- DERA ENERGY: Hamatsy herinaratra avy amin’ny angovo maitso ao Toamasina


Fampihenana ny saran’ny famokarana herinaratra ataon’ny Jirama.. Ho tohiny fampahafantarana tamin’ny taona 2019, ao anatin’ny tanàn-dehibe efatra nosafidian’ny vondron’orinasa Filtex sy ny orinasa kanadiana « Danish Energy Regulatory Authority »  (Dera Energy)  hanatanterahana ny tetikasa famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo maitso i Toamasina. Continuer la lecture